Io indray ilay fitiavantena eo amin’ny gasy. Fanampiana natokana ho an’ireo traboina natolotry ny filoham-pirenena Ravalomanana no misy manodina sahady. Saika tsy mandeha amin’ny laoniny avokoa ny vola, ny vary sy ny voamaina natolotra ho an’ireo niharam-pahavoazana.
Tetsy Anosimahavelona dia nahitana izany, satria vola 2 alina ariary isam-pianankaviana no voatokana ho zaraina isan’andro, dia maro no tsy nahazo ny anjarany. Izay mba mahazo indray, dia tsy misy afa-tsy dimy arivo ariary no anjarany. Nankaiza ny ambiny ?
« Nalefanay eny amin’ny Polisy akaiky anay ny vola natolotry ny sefom-pokontany lefitra », hoy ireto vahoaka ireto. « Tsy fidiny ho anay ny hipetraka amin’ny trano lay toy itony, nefa mbola misy ny fitiavantena eo amin’ny gasy sasany ». Mazava ho azy fa ny mpanararaotra no voky alohan’ny traboina. Inona no sazy omena ny mpanararaotra ?
Raha ny trano hitoeran’ireto traboina etsy Tanjombato sy Anosimahavelona ireto no atao indray mijery, dia mahatratra hatrany amin’ny 30 olona no mitoetra ao anaty tranolay kely. Midika io fa misy fiantraikany eo amin’ny lafiny fahasalamana ny toy izao.