Manoloana ny hasarotry ny fiainana ankehitriny, moa mbola hisy sahy hanohitra ny fanjakana ihany ve ireo mpanao politika izay hita fa nahery fomba fiteny tamin’ny fitondrana ankehitriny ? Io fanontaniana io no hisarihana ny sain’ny maro fa tsy hipetraka ao aminao intsony ny tena foto-kevitra rehefa tsy misy ny vola ho entina mihetsika. Fantatra mantsy fa hiverina hiasa eny anivon’ny ministeram-panjakana ny depiote mpanohitra maro rehefa tsy tafita intsony teo amin’ny fifidianana izay nataony. Kandida nilatsaka ho fidiana ho filoham-pirenena sy ho depiote farany teo tany amin’iny atsimon’ny nosy iny no voalaza fa handray asa tsy ho ela eo anivon’ny ministera hisahana ny resaka fampianarana. Toy izany koa ny ministra tamin’ny Governemantan’ingahy Sylla, izay nivadika ho mpanohitra mahery vaika dia hiasa eo anivon’ny ministeran’ny fikarohana siantifika, izay olona mbola avy any amin’ny faritra atsimon’ny nosy io. Nisy depiote hafa ihany koa izay handray ny asa maha-mpiasam-panjakana azy indray, izay hisana ny resaka fampianarana ihany koa. Niverina amin’ny taniny ny jiosy hoy ny mpitazana, ary tsy misy aharatsy izany, satria ny asany teo aloha no sahaniny, saingy moa afaka mbola haneho hevitra toy ny taloha ve izy ireo ? Hiarahana mahalala ihany mantsy ny mahazo ireny mpiasam-panjakana ireny, ka izay no hilazana na ny hiverenana amin’ny sehatra tahaka izao aza anie ka efa nisy fifampiraharahana goavana e. Ny kibo tokoa tsy mba lamosina, ary ilay politika mba natenaina hitondra tamin’ny fandresena ity toa nandalo ihany, koa tsy rariny ve raha mba hijery ny vava mihetsika toy izay ho lany andro amin’ny tolona tsy ahitana fahombiazana hoy ny mpitazana sasany.
Niverina amin’ny taniny ny Jiosy
lundi 14 janvier 2008 |
| 1080 visites