Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 01h28
 

Malagasy

Raharaha Nosy Be

Nitsoa-pahana ilay mpisolo vava

samedi 23 février 2008 | Volana R.

« Matahotra aho ! » Ary dia vitan’ilay mpisolo vava mihitsy ny namerina ny vola efa noraisiny tamin’ireo olona tokony arovany.

Raha ampahatsiahivina vetivety ny raharaha dia mikasika vehivavy iray nitsabo tena tany aman’olona voalaza fa mampivavaka ary afaka mitsabo ihany koa amin’ny alalan’ny fivavahana.

Rehefa nataony izay hahazoana ny fitokisan’ilay ramatoa, dia saika hovetavetainy izy io. Soa ihany fa afa-nitsaoka ity ramatoa, ary nametraka fitarainana. Maro dia maro anefa ny miaro ny lehilahy aty ambadika, ary efa nanangona vola be izy ireo hamoahana azy. Ilay ramatoa kosa, naka mpisolovava hiaro ny momba azy. Dia izao nitsoa-pahana izao izy ity. « Tsy zakako ny miady irery, hoy izy. Raha ny ara-dalàna, dia diso ary tokony ho voasazy ity lehilahy ity. Fantatro anefa fa dia atody miady amam-bato isika. Tsy hanao aho. Inty ny vola ary dia miala aho. » Raha ny voalazany aza, dia toa voavidy hatramin’ny any amin’ny tribonaly.

Vaovao farany

Amin’ny 28 febroary izao ny fitsarana mikasika ity raharaha ity. Ny vaovao farany dia milaza fa tsy manan-taratasy ara-dalàna ity lehilahy mpivavaka. Tsy voasoratra n’aiza n’aiza. Izy ihany koa anefa dia efa voarohirohy tamin-draharaha mitovitovy amin’izao tany Mahajanga tany, dia izao nitsoaka any Nosy Be izao izy.

Ny faraparan’ny volana janoary no niseho ny raharaha ary mbola voatazona any am-ponja vonjimaika izy. Saingy na ity mpisolovava aza dia efa manahy fa ho very maina ny fitarainana.

Dia ahoana izany ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS