Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 2 mai 2024
Antananarivo | 15h45
 

Malagasy

IMMR

Nitsangana tamin’ny maty

samedi 2 février 2008 |  873 visites  | Naivo kely

Aina ity, hoy Rainimanonja, ka aleo atambatra haingana ny hery. Ny tsy hisian’ny faty antoka momba ny fifidianana izay hatrehantsika atsy ho atsy no antony. Io no hita taratra amin’ireo manohana ny filoha amperin’asa nandritra ny fifidianana izay ho filoham-pirenena farany teo ireny, dia ny IMMR izany. Atambatra ny hery, ary ho jerena izay hifanarahana sy hifanohanana manoloana ny fifidianana izay ho atao atsy ho atsy, ka hifandrombonanan’ny Teza, TIM, AMF/3FM, ary ny Arema matotra. Mandady ny trambo, hoy ny fomba fiteny, ka na dia tsy nisy aza ny fifampitsinjovana manoloana ny fifidianana izay natao teto, dia tapaka ny hevitra fa hiray saina mba ho sakana ho an’ny kandida hafa mety handrombaka ny seza. Heno fa maro tamin’ireto mpikatroka ao anatin’ny IMMR « Isika Miaraka amin’i Marc Ravalomanana » ireto no tsy manaiky ny ho atao fitaovana intsony rehefa hiatrika fifidianana toy izao, ka na mitambatra ho vato, na hisaraka ho fasika. Ny avy eo anivon’ny antoko TIM anefa dia matoky tena tanteraka ka tafika foana na iza manampy na iza hisintaka. Anio maraina no hihaona amin’ny mpanao gazety etsy amin’ny Motel Anosy ity IMMR ity, ka hoy ny maro hoe mampitsangana amin’ny maty ity fifidianana ity e !

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 

Archives