Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 18 avril 2024
Antananarivo | 05h33
 

Malagasy

Fifidianana tany Mananara

Nitarika i Zakahely Boniface

jeudi 15 novembre 2007 | Naivo kely

Omaly hariva tokony ho tamin’ny 9 ora alina dia birao fandatsaham-bato miisa 12 no voaray tany Mananara Avaratra, ka mitarika amin’isam-bato 2665 ny kandida Zakahely, ary ny TIM kosa dia manana isam-bato 722. Izany hoe misy elanelam-bato 1943 izany eo amin’ireo kandida roa heverina fa mitàna ny sain’ny mpifidy ireo. Tsy vokatra ofisialy io, fa raha eo amin’ny fifidianana ho ben’ny tanàna sy mpanolon-tsaina kosa indray, dia fantatra fa tsy nahafeno ny taratasy ilaina ara-panjakana ahafahana milatsaka ny kandida atolotry ny TIM ao amin’ny kaomnina efatra any an-toerana ka isan’io ny ao amin’ny kaominina Ambodivoanio sy Andasibe ary ny any Vanono. Na dia efa nifarana ny 12 novambra teo aza anefa ny fandrotsahana ireo antontan-taratasy ireo, dia hita fa mbola misy mikarakara izany ihany hatramin’izao. Kaominina 14 no hiadiana ao Mananara Avaratra.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS