Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 23h03
 

Malagasy

Aretin’i Pety Rakotoniaina

Nisy fiantraikany ny famatorana rojo vy azy

lundi 21 juillet 2008 | Naivo kely |  1211 visites 

Etsy Befelatanana i Pety. Mitsabo tena vokatry ny aretina mikiky azy. Ny zoma alina teo no nalefa haingana ao amin’io hopitaly lehibe eto andrenivohitra io ny lehilahy, satria mihombo ny aretina mahazo azy.

Gaga izahay hoy ny mpikambana ao amin’ny Tambatra nandre, fa nanao Grevy tsy mihinan-kanina i Pety. Lehilahy be herim-po tahaka azy, izay hita fa sahy misedra ny mafy ve hanao izany ? Raha ny fantatray hoy ihany ireto lohan’ny mpisorona ao amin’ny Tambatra mipetraka eto andrenivohitra ireto, dia ny aretina nahazo azy teo aloha io. Ny fanenjehana azy, sy ny fametahana rohy vy amin’ny tànany roa any aoriana io. Iza no tsy nahalala fa narary ny tenany vokatr’iny, satria any Fianarantsoa ka hatraty andrenivohitra ve no atao izany ity ben’ny tanàna ity ? Ho hita eo ny vokatry ny tatitra ataon’ny mpitsabo, fa ny hita aloha, dia vory lanona ny mpitandro ny filaminana miandry azy eny amin’ny hopitaly. Izahay Tambatra no mifarimbona mikarakara azy eny, na ny vidin’ny fanafody, na ihany koa eo amin’ny lafiny ara-tsakafon’ny marary. Kely ny herin’ity filohanay ity, hoy ireo mpikambana Tambatra, nefa tsy ataonay maha-kivy izany, fa ny mitsabo aloha izao no atao. Efa ela no nilazana fa tsy ara-dalàna ny fahasalamany, nefa mbola nahiboka tao am-ponja ihany, ary tsy nahazo fahafahana mitsabo teny taty ivelany. Io efa mihamihombo io ny aretina vao taitra ny mpitsabo tao amin’ny fonja sy ny ministeran’ny Fitsarana, ka io nalefa haingana etsy Befalatanana io ny lehilahy. Araky ny tatitra nataon’ireto mpikatroka ao amin’ny Tambatra ireto taminay mpanao gazety, dia voafantina ihany ny olona afaka mamangy an’i Pety Rakotoniaina.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}