Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 24 avril 2024
Antananarivo | 06h02
 

Malagasy

Antoko AVI

Nipoitra amin’izay !

lundi 2 juillet 2007 | Naivo kely

Ny zoma hariva nanomboka tamin’ny 5 ora no nivory teny amin’ny KOBAMA Soanierana ny antoko Asa Vita no Ifampitsarana, izay notarihan’ny filohany Norbert Lala Ratsirahonana. Nifantoka tanteraka momba ny zava-misy diavin’ny firenena ankehitriny ny laha-dinika tao, ary teo ihany koa ny fandraisana anjara manoloana ny fifidianana izay hatao atsy ho atsy. Taorian’ny fifidianana izay natao teto amin’ny firenena ny faha-3 Desambra teo izay nandraisan’ity antoko AVI ity anjara ho isan’ny mpilatsaka ho filoham-pirenena, dia maro no nametraka fanontaniana hoe : « fa nankaiza ny AVI manoloana ireo raharaha niseho , raha tsy hiteny afa-tsy ny referandaoma farany teo ? » Misy fotoana hanginana, ary maro ny fotoana hijoroana hoy izy ireo, ka io fihaonana natao tamin’ny mpikambana maro io dia isan’ny fepetra iray fa hijoro tsy hanaiky lembenana manoloana ny tsy fetezan-javatra rehetra miseho eto ity antoko ity, ary tsy maty fa maka bahana hoy ireo birao Politika tao.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS