Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 17h47
 

Malagasy

Ampanefena-Vohémar

Niparitaka ny laza adina BEPC, nifampitadiavana ny mpampianatra

jeudi 5 juillet 2007 | Nivo T. A.

Faritra maro teto an-drenivohitra no niparitahan’ny laza adina BEPC, nanomboka ny faran’ny herinandro lasa teo. Tany amin’ny faritra SAVA dia nanomboka ny zoma talohan’ny fiantombohan’ny fanadinana no nivoaka ny laza adina. Niainga tany Sambava izany laza adina izany ary tonga hatrany Vohémar sy Ampenefena.

Araka ny vaovao azonay tany an-toerana, dia ny zoma 29 jiona no namory ny mpampianatra sy ny mpianatra kilasy faha-9, izay hiatrika fanadinana BEPC ny tompon’andraikitra tao amin’ny sekoly tsy miankina iray tany Ampanefena-Vohémar, fa hoe hamoha laza adina. Maro ny mpianatra sy mpampianatra tonga tany ary niparitaka izaitsizy ny feo tany an-toerana. Nony naharay ny laza adina ny ankizy dia nifampitadiavana ny mpampianatra eran’ny tanàna, mba hanome ny ankizy ny valin’ny laza adina. Hatramin’ny alina be dia mbola misy mandondona any an-tranony ny mpampianatra fa misy mpianatra mila vonjy. Misy moa ireo mpampianatra izay nanome valiny fa misy kosa ireo izay nandà izany. Famitahana ny mpianatra moa izao famoahana laza adina mialoha izao. Antenaina fa tsy maintsy hisy ny fepetra raisin’ny fitondram-panjakana na haverina tanteraka mihitsy ny laza adina, satria efa fantatry ny mpianatra mialoha. Sady amin’izay indray tsy toerana iray na roa no nitrangan’izany fa sekoly maro manerana ny Nosy.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS