Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 18 avril 2024
Antananarivo | 17h34
 

Malagasy

Antsiranana

Nihemotra kely aloha ny Jirama…

samedi 9 février 2008 | Volana R.

Marimaritra iraisana ! Toa izay foana no mampilamina zavatra eto Madagasikara. Tsy misy hevitra na fanapahan-kevitra hentitra enti-mitantana hatrany. Hatramin’izao aloha ary, dia tsy mieritreritra ny hanapaka ny jiro ao amin’ny kaominin’Antsiranana ny Jirama, taorian’ny fifanarahana mikasika ny trosan’ny kaominina teo aloha ka tsy voaloa.

Trosa nanomboka ny taona 1998

Tany amin’ny faraparan’ny taona 2007 no niseho ny olana, ka nisian’ny fanapahana nisesisesy tao amin’ny tanàna. Mahatratra 2 miliara sy 423 tapitrisa ariary ny trosa, manomboka ny taona 1998 hatramin’ny volana aogositra 2007. Nandefa taratasy ofisialy tany amin’ny fitondram-panjakana ny Jirama nampahafantatra ny zava-misy. Nisy araka izany (satria tsy ny tany Antsiranana ihany ny seho) ny fanapahan-kevitry ny Foibe handoa ny trosa rehetra eny amin’ny toeram-panjakana, ka ny trosa hatramin’ny taona 2005 ihany no voakasik’izany.

Raha ny mikasika ny kaominin’Antsiranana manokana no resahina, dia tafakatra 289.529.506 Ariary ny vidin-jiro sy rano taona 2006 ; 363.146.947 Ariary kosa ny momba ny taona 2007 manontolo. Na izany aza anefa, misy volan’ny kaominina efa nahazoany « ordre de prétention », vola avy amin’ny hetra, mitentina 440.607.243 Ariary, any amin’ny JIRAMA. Mihevitra ary ny tompon’andraikitra ao amin’ny kaominina fa tokony esorina amin’io ny trosan’ny taona 2007, satria hananany ambim-bava eo ho eo any amin’ny 77 tapitrisa Ariary indray aza ny orinasam-panjakana mpanome jiro sy rano.

Mitomboka indray

Izany rehetra izany tsy manakana ny fotomboky ny vola efaina any amin’ny Jirama, manomboka ny volana janoary 2008, manodidina ny 23 tapitrisa Ariary, izany hoa latsaka 7 tapitrisa Ariary kosa amin’ny mahazatra. Ankoatr’izay voalaza izay, dia manambara ihany koa ny kaominina fa misy vola mitentina 327.117.392 Ariary any amin’ny JIRAMA, azony amin’ny anaran’ny kaominina avy amin’ny « taxes sur taxes. » Marihina anefa fa tsy azo kasihina velively io satria atokana hatrany amin’ny fanitarana ny fanomezan-jiro na rano ny tanàna manodidina.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS