Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 16 juin 2025
Antananarivo | 18h44
 

Malagasy

Fiaramanidina voatery nipetraka

Nieren-doza ireo vazaha telo tao anatiny

mardi 29 janvier 2008 | Nivo T. A. |  874 visites 

Saika loza no nitranga tany amin’ny tanànan’Ambinany, kominina Fanambana, ao anatin’ny distrikan’i Vohémar, tamin’ny marainan’ny zoma lasa teo.
Tamin’ny 5 ora maraina tany ho any mantsy dia nisy fahasimbana ara-teknika teny am-panidinana teny ity fiaramanidina madinika nitondra ireto vazaha telo lahy. Voatery nipetraka teo amoron-dranomasina ity fiaramanidina kely noho izany fahasimbana izany. Mba voafehin’ilay mpanamory ihany anefa ny fidinana tsy fidiny tamin’ny tany.

Tafapetraka soa aman-tsara ihany ilay fiaramanidina na dia somary sahirankirana ihany aza. Avotra soa aman-tsara ireo vazaha telo tao anatiny.

Araka ny vaovao azo avy an-toerana, dia niala tany Antalaha ireto vazaha telo nitondra fiaramanidina madinika ireto. Tsy fantatra mazava izay anton-dian’izy ireo sy izay toerana saika halehan’izy ireo. Amin’izao fotoana anoratanay izao moa dia mbola any Fanambana ilay fiaramanidina kely, miandry ny teknisiana amin’ny fanamboarana ny simba amin’izany.