Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 28 mars 2024
Antananarivo | 19h16
 

Malagasy

Ankazomanga

Niakatra polisy ny mpivavaka !

mardi 6 mai 2008 | Manou

Nisokatra tamin’ny alakamisy nankalazana ny andro niakarana teo ny trano fiangonana nifandroritan’ny mpino protestanta tao Ankazomanga-Atsimo ao amin’ny boriborintany faha-6 Antananarivo-Renivohitra araky ny fandaminana vonjimaika avy any amin’ny « préfecture de police. « 
Ifandimbiasana ny fampiasana ny trano satria nivaky roa ny mpiangona ka ireo nankato ny hifindra ho eo ambany fitantanan’ny Fjkm no miditra mialoha vao afaka manatanteraka fotoam-pivavahana ny mpankasitraka ny Fkpma, Fiangonana Kristiana Protestanta Malagasy Ankazomanga-Miray.

  • Miaka-midina

Tsy mbola nampilamina ny adin’ny mpirahalahy anefa izay fandrindrana izay na efa samy afaka nampiasa ny trano fiangonana arak’izay itiavany azy aza ny roa tonta.

Voantso teny amin’ny kaomisarian’ny polisy Ambohimanarina ny lohandohany tamin’ny mpomba ny Fjkm omaly nohon’ny fitorian’ny komity mpitantana sy ny mpitandrina avy ao amin’ny Fkpma. Fibahanam-baravarana tsy hahafahan’ny mpiangona niditra tao am-piangonana nandritry ny fetin’ny Paska teo, fisakanana ny vadintany hanao ny asany tao am-piangonana, fanapahana ny jiro sy fanimbana ny fanalahidim-piangonana ary fanakorontanana fotoam-pivavahana no fototry ny fitoriana araky ny vaovao voaray teto amin’ny gazety.

Efa nitory ny mpitandrina Fkpma ho nanodinkodim-bola ihany koa anefa by mpankasitraka ny fitantanana Fjkm talohan’izao ary mbola tsy fantatra izay hiafaran’ny raharaha.

Tsiahivina fa fangatahana hiala amin’ny fitantanan’ny Fkpma niandohan’ny fiangonana protestanta tao Ankazomanga, hifindra ho any amin’ny Fjkm no fototr’izao korontana izao.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS