Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 29 avril 2024
Antananarivo | 11h30
 

Malagasy

Depiote Andriamaholison

Niaiky fa tsy nahasarika tanora ny TIM

mardi 15 janvier 2008 |  678 visites  | Naivo kely

« Maizina ny lanitra hitan’ny tanora, satria maro no tsy an’asa, ary miakatra sy tena midangana ny vidim-piainana, io no hitan’ny tanora ankehitriny ka nahatonga azy ireo hifidy TGV teto andrenivohitra ». Io no nambaran’ny depiote voafidy tao amin’ny boriborin-tany voalohany eto andrenivohitra tao amin’ny Aceem radio ny alahady teo. Tsy hitan’ny tanora ny ezaka ataon’ny fanjakana toy ny fahatokisan’ny mpamatsy vola ivelany, sy ireo fotodrafitr’asa isan-karazany vita teto, fa nosaronan’ireo vidim-piainana ny mason’ny tanora. Raha atao ihany koa ny kajy dia maro be ny vahoaka mbola tsy tonga nifidy, ka tsy fantatra izay tena any antsain’izy ireo na manohana ny fanjakana na tsia. Ny azo hambara aloha hoy ity depiote ity, dia mbola maro ny manohana ny fitondrana sy ny TIM. Mpitarika sendikaly ity lehilahy ity, saingy toa nankasitrahany ny 10% amin’ny fanondrotana ny karama nataon’ny filoham-pirenena, izay nambarany fa ampy aloha io. Rehefa foana ny fanadiovana isaky ny ministera izay be mpiasam-panjakana matoatoa, dia izay vao tokony ho jerena indray ny mety hanampiana izany karama izany. Hatreto dia niova fomba firesaka tanteraka ny tenany rehefa tafiditra ao anatin’I TIM sy lasa depiote, tsy toy ny fomba fijeriny fony izy nitaky ny karama farany ambany ho 450.000fmg talohan’ny taona 2000. Tsara ny milaza fa mpikambana ao anatin’ny TIM fahasalamana ny lehilahy ; ary tsy mankasitraka ny hanafoanana ny TIM fahasalamana sy ny fanabeazana eny anivon’ireny ministera isan-karazany ireny.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS