Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 01h51
 

Malagasy

Filoha Ravalomanana

Niaiky fa ilaina ny tsikera

vendredi 24 août 2007 | Naivo kely

Nandritra ny lanonam-panokafana ny tsenabe tolo-tanana laika omaly teny amin’ny lapan’ny kolon-tsaina sy ny fanatanjahan-tena Mahamasina no nilazan’ny filoha Ravalomanana fa aza manantena ny hanao zavatra raha tsy misy ny tsikera. Midika avy hatrany io tenin’ny filoham-pirenena io fa ny tsikera izay hafafin’ny maro amin’izao no làlana iray hanitsina ny diha ka hirosoana amin’ny asa tokony hifanaraka amin’ny mety. Misy ny olona tsy sahy mitsikera na mifanohitra amin’io, ka aza gaga raha tsy misy asa vita satria mitazam-potsiny ny sasany, ary ny ankilany mihevitra fa mety izay ataony. Raha ireo lahateny ireo no atao indray mijery, dia toa rariny ihany izany ny mpanohitra raha avo vava mitsikera izay hitany fa tsy mifanaraka amin’ny hetahetam-bahoaka. Ny mampalahelo, dia mby aiza moa izao ny ankamaroan’ireny olona zatra nitsikera ireny ? Fa nandritra ity tsenabe omaly ity ihany no nilazan’ny filoha fa tapa-kevitra ny tenany ny hanampy ireo laika manerana ny nosy. Tsara ny milaza fa trano heva mahatratra 200 no hita eny antoerana, ary ny vola azo amin’io dia entina hampandrosoana ny asa fitoriana ny tenin’Andriamanitra.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS