Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 18 avril 2024
Antananarivo | 08h41
 

Malagasy

Rahara MBS Anosipatrana – Kaominina

Napetraky ny MBS eny amin’ny fitsarana ny raharaha

samedi 24 janvier 2009

Araka ny vaovao farany dia nandefa vadintany teny amin’ny MBS teny Anosipatrana ny Kaominina, nampahafantatra ny mpanofa ny tanin’ny Kaominina fa tapaka ny fifanarahana satria tsy nanaja ny fifanarahana. Raha nanontaniana momba izany ny tao amin’ny MBS dia nanazava fa : « Araka ny fanambaran’Atoa Andry Rajoelina tamin’ny kabariny teny Ambohijatovo tamin’ny Sabotsy faha 17 janoary dia nisy « échange de services » ho solon’ny vola (redevance) tokony haloan’ny MBS any amin’ny kaominina. Ny fifanarahana « échange de services » dia tsy inona fa « acte de gestion » izay ifanarahan’ny mpitantana roa tonta hatrany. Ny MBS dia nahatoky ny « principe de continuité ».

Hananan’ny MBS vola indray izany izao ny Kaominina

Raha nolazaina tamin’ny tomponandraikitra iray ao amin’ny MBS anefa fa araka ny voalazan’ny avy ao amin’ny Kaominina dia tsy mbola nisy naloa ny vola « redevances » mikasika ny « contrat de bail » dia nanazava ihany ity tomponandraikitra avy ao amin’ny MBS toa te-hilaza fa filan-kisa sy antsojay no betsaka : « Araka izany, tsapa fa mitsipaka ny fifanarahana nisy teo aloha ny Ben’ny tanàna ankehitriny nefa tsy nanaovany fanamarihana na fitsipahana tao anatin’ny herintaona nitondrany, na nampahafantatra ny fifandraisana vaovao nandritra ny taona 2008 izy ilazana fa tsy « échange de services » intsony no handoavana ny « redevance ».

Na izany aza hoy ity avy ao amin’ny MBS dia « nandray andraikitra izao ny MBS ary nampandoa izany hofan-tany voalaza izany amin’ny alalan’ny vaditany. Koa ankehitriny izany dia ny MBS indray no manana vola any amin’ny Kaominina noho ireo « services » nataon’ny Kaominina tao aminy ».

« Toa nodiana tsy hita ny fifanarahana ? »

Marihina anefa fa araka ny andininy faha 5 ao amin’ny fifanarahana fampanofana, dia tokony nandefa taratasy fitakiana « commandement de payer ou sommation d’exécuter » ny Kaominina raha tsy nandoa vola ny M.B.S ary manana roa volana izy handoavana izany, araka ny “contrat de bail”, aorian’ny nandraisana io taratasy voalaza eo ambony io, ary iray volana araka ny lalàna (minimum légal un mois).

Koa araka izany fanazavana nomen’ny tomponandraikitra ao amin’ny MBS izany, dia nanaja ny fepetra takian’ny « contrat » sy ny lalàna ny M.B.S., ary nampahafantariny fa nametraka ny raharaha eo anivon’ny Fitsarana.rizareo. Araka ny didy hitsivolana laharana faha 60-050 tamin’ny 22 jona 1960, hoy izy nanamafy, dia tsy maintsy amin’ny alalan’ny didim-pitsarana no ahafahana mandroaka na manala amin’ny toerana ny mpanofa tsy nanaja ny fepetra voalazan’ny fifanarahana

Nangonin’i Raw

- Toy izao no voarakitra ao amin’ny andininy faha 5 ao amin’ny « contrat de bail » :

« En cas de défaut de paiement d’un seul terme de la redevance à son échéance, de l’inobservation de l’une quelconque des clauses du présent bail et deux mois après un commandement de payer ou une sommation d’exécuter, contenant déclaration par le bailleur de son intention d’user de bénéfice de la présente clause délivré par acte extrajudiciaire et resté infructueux, le présent bail sera résilié, si bon semble au bailleur sans qu’il soit nécessaire de servir un congé ou de recourir à une décision de justice ».

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS