Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 21h49
 

Malagasy

Apokalypsy

Nangorom-potsy Atsavatsava

mercredi 4 juin 2008 |  944 visites  | Volana R.

Lanonana dimy sosona no niainan’ny mpino Apokalypsy, ny sabotsy lasa teo, teny Atsavatsava- Itaosy, toerana hanorenany ny trano fiangonany, raha toa ka azo soa aman-tsara ny fanomezan-dàlana avy any amin’ny fanjakana.

Teo aloha ny fanosorana ireo loholona 200, dia ny diakona 700, izay samy efa nahatratra ny faha fito taonany ny fikambanana tsirairay. Noraisin-tànana sy no
tsofin-drano ihany koa ireo misionera 23 mirahalahy, handeha hamaky lay ny fitoriana ny Soratra masina manerana ny Nosy. Ankoatra izay, fitaovana iray lehibe ampiasain’ny Fikambanana Apokalypsy eto Madagasikara (FAM) ny onjampeo Feon’ny Apokalypsy izay namarana amim-pomba ofisialy tamin’io andro io ihany ny fankalazana ny folo taona nisiany. Ary farany, nisokatra ny alahady 1 jona ny fampianarana ny Boky Apokalypsy ao amin’ny RAF ihany, isan’andro.

Mpino 500.000

Nangorompotsy mihitsy Atsavatsava. Nahitana solontena avokoa ny faritra rehetra efa iorenan’ny FAM eto Madagasikara, ankoatra ny eto an-drenivohitra. Mahatratra 500.000 ny mpino, raha tsy resahana ny any Frantsa, nanomboka ny taona 2005 niorenany.

Araka ny rafitra mifehy ny Fikambanana, dia ireo misionera 12 tany am-piandohana no lasa evanjelistra amin’izao fotoana izao. Hanaraka fiofanana valo volana ireo misionera, fa ireo evanjelistra kosa no ho lasa pasitera atsy ho atsy. Efa misy rahateo mpiomana ho misionera 24 manomboka ny fampianarana. Marihana fa miodina tsy misy famatsiana avy any ivelan’ny fikambanana ny FAM ary ny pasitera Mailhol no filohany.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS