Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 14h57
 

Malagasy

Filankevitra Mahajanga I

Nandray fahefana i Tony Josoa

samedi 12 janvier 2008 | Tsievhanta

« Famindram-pahefana teo amin’ny filohan’ny filankevitra monisipaly teo aloha sy ny vaovao notanterahina ny Zoma 11 janoary 2008 ny famindram-pahefana teo amin’andriamatoa ABRASSE Massoud sy Andriamatoa Tony JOSOA. Ity farany dia voafidy ho filoha vaovao ny filankevitra monisipaly eto amin’ny kaominina Mahajanga. Tokony efa hisy hoy ny ben’ny tanàna vaovao ny asa 10 andro aorian’ny fametrahana izao filohan’ny filan-kevitra vaovao izao.Hisy àry ny fiofanana filan-kevitra miaraka amin’ny distrika, fanolorana amin’ireo mpanatanteraka ny rafitra avy amin’ny ben’ny tanàna ary ampandalovina any amin’ny mpanolo-tsaina.Miisa efatra ireo birao maharitra ao amin’ity filankevitra vaovao ity. Ny filoha dia Andriamatoa Tony JOSOA, filoha lefitra RANDRIAMIHAVANA avy ao amin’ny Hery Miray, mpitondra voalohany andriamatoa Veve avy ao amin’ny antoko tarihin’i JAMOKA ary ny mpitondra teny faharoa Andriamatoa Malala avy amin’ny antoko tarihin’i Badroudine.Fantatra àry fa ny 15 janoary hoavy izao no handinika ny rafitra napetraky ny ben’ny tanàna vaovao ireto mpanolotsaina vaovao ireto.Marihina fa samy avy amin’ny antoko politika samihafa ireto birao vaovao voafidy ireto raha ny antoko TIM no mibahan-toerana amin’ny isa ao amin’io filan-kevitra vaoavao io ».

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS