Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 08h48
 

Malagasy

Lalao Olimpika

Nampitao i Mada Prestige

lundi 28 juillet 2008 | Manou

Nanolotra fitafy sy kiraro ary kitapo ho an’ny solontena malagasy rehetra hiatrika ny Lalao Olimpika hatao any Beijing amin’ny faha-8 aogositra izao ny orinasa Mada Prestige.

Ry zareo ireto, hatramin’izao, no malala-tànana voalohany fantatra fa tonga nitondra fanampiana amin’ny dian’ny delegasiona malagasy hamonjy io fihaonana ara-panatanjahantena faratampony maneran-tany io nefa mbola nampanantena loka famporisihana ho an’izay mahazo vokatra tsara ihany koa. Napahafantaran’ireto mpandraharaha ireto dieny aty am-piandohana mantsy fa homeny loka Ariary 6 tapitrisa izay atleta malagasy mibata medaly volamena avy any Beijing, Ariary 4 tapitrisa ny medaly volafotsy ary Ariary 2 tapitrisa ho an’ny mahazo medaly alimo.

Mpankafy fanatanjahantena

Notsorin-dRtoa Andry Rakotoarison, isan’ny mpitantana-mpanorina ny orinasa Mada Prestige aloha fa tsy misy ifandraisany velively amin’ny fandraharahana sahaniny ny ara-panatanjahantena saingy nanintona an-dry zareo nohon’ny fitiavany azy. Ilaina ho tohanana hatrany koa, hoy izy, ny fanatanjahantena malagasy hisian’ny fivoarany satria olana eo amin’ny hoenti-manana foana no vato misakana io zay rehetra tian-kapêtraka eo amin’io lafiny io hatramin’izay.
Orinasa vao niorina teto Madagasikara tamin’ny volana marsa teo ny Mada Prestige ary ny sehatry ny fandraharahana momba ny trano sy ny fampanofana fiarakodia ary ny fizahantany avo lenta no tena iasany.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS