Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 1er mai 2024
Antananarivo | 12h42
 

Malagasy

Fiaran’ny depiote

Nahoana no tsy « plaque rouge » ?

jeudi 31 janvier 2008 |  853 visites  | Naivo kely

Samy gaga ny rehetra raha nandre fa nahazo fiara tsy mataho-dàlana indray ny depiote vaovao etsy Tsimbazaza, na dia efa navoakan’ny filan-kevitry ny Governemanta aza fa tsy ahazo io tombontsoa iray intsony izay depiote lany eo, kanefa dia ny mifanohitra amin’izany no hita. Ny mampalahelo ny depiote hafa fotsiny, dia izay tsy TIM dia mbola tsy nahazo hatramin’izao, afa-tsy depiote iray, dia i Hary Kalizy izany. Raha ny fantatra dia tsy ho fananan’ny depiote itony fiara nomena hiasany itony fa an’ny eo anivon’ny fiadidianana ny Repoblika, ary rehefa tapitra ny fe-potoana hiasan’ny depiote dia haverina. Noho izany dia mila mitandrina amin’ireto fiara ireto ny olom-boafidy mba tsy ho sanatria ho fiara efa kadraoka be no averina, satria hisy fepetra ho raisina ho an’ireo izay hita ho toy izany ny fiara averiny. Raha izany ihany, hoy ny mpitazana, nahoana raha atao plaque rouge itony fiara itony, satria an’ny fanjakana, ary handio ihany koa ny fijerin’ny vahoaka, sa mahamenatra ny mitondra fiara tahaka izany ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 

Archives

mai 2024 :

Rien pour ce mois

avril 2024 | juin 2024