Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 8 mai 2024
Antananarivo | 10h01
 

Malagasy

Andravoahangy

Mpivady mihaja misoloky mpivarotra…

vendredi 4 juillet 2008 |  952 visites  | Nivo T. A.

Miseho amin’ny endrika maro samihafa tokoa ny fisolokiana amin’izao fotoana izao. Mpivady mihaja mandrebireby mpivarotra ao an-tsenan’Andravoahangy ary maka volan’olona amin’ny alalan’ny fihetsika hafahafa.

Tsy nampino raha ny zavatra notantarain’i Rtoa Nirina, mpivarotra akanjo voazaitra ao Andravoahangy. Araka ny nambaran’ity mpivarotra mantsy dia nisy vehivavy iray nividy pataloha teo aminy, tamin’ny vidiny Ar 4.000. Nanome vola Ar 10.000 izy mivady ka tokony hamerenana Ar 6.000. Sahirana dia sahirana tokoa ilay mpivarotra nitady madinika tamin’ny olona teo amin’ny manodidina satria tsy nisy tany aminy. Niarahan’ny besinimaro nahita ny zava-nitranga satria ankoatr’ireo mpivady dia nisy olona efatra hafa nahita ny fihetsik’izy mivady.

Tampoka teo anefa dia nilaza ilay ramatoa mpividy fa noheveriny Ar 3.000 ny vidin’ilay pataloha ka tsy hividy indray izy fa haverina ny volany. Ny pataloha anefa efa lasany. Mbola nalainy ihany koa ny vola Ar 10.000. Samy nihanahana tsy nisy nahateny, toa ireny voan’ny fandraikirakena ireny ilay mpivarotra sy ireo olona hafa teo akaikiny. Sady lasan’ilay vehivavy ny pataloha no naverina taminy ny vola Ar 10.000. Ary ny tena loza dia nanaraka ilay ramatoa avokoa ny vola tany am-paosin-dRtoa Nirina mpivarotra, an’aliny maro ary dia nangina fotsiny tsy nahahetsika izy. Olona maro anefa no teo amin’ny manodidina, dia samy tsy nisy nahateny. Fa dia inona loatra re no nataon’izy mivady e ? Izay no fanontanian’ny olona. Mety manao “masobe tsy mahita” izy ireo ka lasa miraikiraiky sy mitazam-potsiny ilay olona voasoloky. Araka ny nambaran’ny mpivarotra hafa tao Andravoahangy dia efa maro no lasibatr’izy mivady mpisoloky ireto. Nisy aza no efa very vola aman’hetsiny mihitsy. Saiky isan’andro dia misy olona lasibatry ny olon-dratsy hatrany ao an-tsenan’Andravoahangy isaky ny alarobua na ao amin’ny toby “Pochard” rehefa alakamisy sy zoma. Ireo mpivarotra moa dia manao antso avy amin’ny polisy manao fanamiana sivily mba hanao hetsika eny amin’ireny toerana ireny, satria tsy kely lalana ny ratsy ary “tsy misy tandroka”.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS