Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 2 mai 2024
Antananarivo | 19h01
 

Malagasy

Ben’ny tanàna eto Iarivo

Mpanao politika iza no hihaona aminy ao Paris ?

mardi 5 février 2008 |  1824 visites  | Naivo kely

Anio no fantatra fa hiainga ho any La Frantsa ny ben’ny tanànan’Antananarivo, Andry Rajoelina. Fivoahana fanindroany teto Madagasikara taorian’ny naha-lany azy hitondra ny tanàna eto an-drenivohitra, ary fanasana nataon’ny mpandraharaha any amin’io firenena iray io. Voalaza fa hisy mpitondra fanjakana ambony any Frantsa vonona ny hiara-miasa amintsika ka antony iray hiazoany any Paris izany. Raha ny fantatra dia maro amin’ireo Malagasy mpiray tanindrazana no maniry hiaona amin’ity TGV ity, ary izy rahateo efa nanambara fa tsy manavaka na iza amin’ny mety hisian’ny fifanantonana nandritra ireny fampielezan-kevitra ireny. Ny filoha teo aloha Ratsiraka Didier sy ry Pierrot Rajaonarivelo, dia mety hifandray tanana amin’ity ben’ny tanànantsika ity. Tsy ferana ihany koa anefa ny mety tsy hihaonany amin’ireo, satria tery ny fotoana handalovany any.

Raha ny eto amintsika indray, dia nihaona tamin’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena teny Tsimbazaza izy, izay fihaonana eo amin’ny ray aman-dreny sy zanaka, ary tsy diso anjara tamin’io ny fanatsarana an’ity tanàna iombonana ity.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 

Archives