Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 21h49
 

Fanambarana

Mpampianatra Mpikaroka sy ny Mpikambana SECES Toliara

vendredi 20 mai 2011 |  851 visites 

Izahay Mpampianatra Mpikaroka sy ny Mpikambana SECES eto Toliara izay nanao fivoriambe tamin’ny alatsinainy faha-16 mey 2011 dia manao izao fanambarana manaraka izao :

« Manoloana ny fizirizirian’ny fitondrana tetezamita tsy hanatanteraka ny zavatra nifanarahana tamin’ny 11 janoary 2011, ampahany kely notsoahana avy tamin’ireo « décrets d’application « telo mitondra ny laharana 1214, 1215 ary 1216 nivoaka tamin’ny 06 oktobra 2009, dia tohananay amin’ny herinay rehetra ny fanapahan-kevitr’ireo namana Mpampianatra Mpikaroka ao amin’ny Oniversiten’Antananarivo ».

Ka noho izany, tsy hisy asa fampianarana sy fikarohana eto amin’ny Oniversiten’I Toliara.

MITOHY NY TOLONA ARY HIHAMAHERY VAIKA MANDRA-PAHAZOANA VALINY MAHAFA-PO.

Ny Filohan’ny Sampana SECES Toliara
Rahary Jean Chrystophe

2 commentaires

Vos commentaires

  • 20 mai 2011 à 11:09 | RAVELO (#802)

    Fanontaniana kely hoan’ atoa Rahary :

    Mitady vaha-olana eo antrehan’izao fintatanana ny ioniversite rehetra izao va no anton’ny itokonanareo sa mitady ny andoavana na dia ny iray volana fotsiny ny zònareo ianareo ?
    Samy hafa ireo zavatra ireo,ka raha toa ka ny « hi-profite » sao dia mba ahazo kely
    amin’izao fitondrana sandoka izao no tanjonareo dia manompa ny Malagasy mitrongo vao omana ianareo.
    Azavaho mazava mba ho itan’ny Malagasy mitolona hoan’i MADAGASIKARA, izay miady ny hanalàna tsotr’izao fotsiny ireo FATIN’ALIKA ireo.

  • 21 mai 2011 à 20:17 | ikoto (#4912)

    Hoy RAVELO etsy ambony :

    ’’Fanontaniana kely hoan’ atoa Rahary : Mitady vaha-olana eo antrehan’izao fintatanana ny ioniversite rehetra izao va no anton’ny itokonanareo sa mitady ny andoavana na dia ny iray volana fotsiny ny zònareo ianareo ? Samy hafa ireo zavatra ireo,ka raha toa ka ny « hi-profite » sao dia mba ahazo kely amin’izao fitondrana sandoka izao no tanjonareo dia manompa ny Malagasy mitrongo vao omana ianareo. Azavaho mazava mba ho itan’ny Malagasy mitolona hoan’i MADAGASIKARA, izay miady ny hanalàna tsotr’izao fotsiny ireo FATIN’ALIKA ireo’’.

    Tsy hisolo vaika an-dRahary aho ka hamaly ny fanontanian-dRavelo, tsia, fa te-hampahatsiahy an-dRavelo aho :

    Izao fitokonana ataon’ny SECES izao dia vokatry ny ataon’ny F.A.T. tondroinao amin’ny hoe « fitondrana sandoka », satria nahoana ?
    - Io fitondrana sandoka nidrdradradra tetsy amin’ny 13 mey io dia niozonozona fa « hanarinany hadalan-dRavalomanana » no sady hampidina ny vidim-piainana izay nolazaina fa vokatry ny « monopole » nataon-dRavalomanana, eny fa na dia ny làlana vitan-dRavalomanana tamin’ny fotoana naha Filoha azy aza dia notsatson-dr Fozaorana fa « nataon-dRavalomanana hiparitahan’ny vokatry ny Tiko ! ». Tsarovy tsara Raavelo fa nanohana an’Ingahy TGV mpitarika ny Fozaorana koa itony SECES SECES itony sy ny Sendikan’ny Fonksionera hatramin’ny Sendikan’ny Mpiasa amin’ny Tsimiankina ary ny Sendikan’ny Mpampiasa satria nampanantenain-dRajoelina Andry Fozaorana fa hotohanana !

    Inona no teo ? Ry Fozaorana mianakavy no nitavana ny harem-pirenena ! Raha nokianin’ng. Andry Rajoelina Fozaorana ho « mpihinam-bolam-bahoaka » ireo Depiote (izay TIM no ankamaroany izy nahao fiaakodia sy nandray volabe) dia tsy nahagaga loatra fa dia ny fanao izay nokianiny ihany no naveriny tamin’ireo sakaizany nomeny toerana tao amin’ny C.T. sy ny C.S.T. sy ny Governemanta INDRINDRA FA NY MIARAMILA SY NY ZANDARO ARY NY POLISY nanohana tamin’ny fanonganam-panjakana, sns, fa najahatra kosa ny SECES sy ny Sendikan’ny Fonksionera, ny Sendikan’ny Mpiasa amin’ny Tsimiankina ary ny Sendikan’ny Mpampiasa ! Voahilika tsotra izao tamin’ny fizarazarana ny « haza » !

    Tolona no nataon-dRajoelina notohanan’ireo Sendika samihafa ireo, saingy TOLONA TAIN’ALIKA KA NY AVO IHANY NO TOVONANA E !

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS