Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 16 avril 2024
Antananarivo | 23h52
 

Malagasy

Fitaterana : Fanampian’ny fanjakana

Mizana tsindriana ila

jeudi 7 août 2008 | Manou

Kianin’ny mpitatitra ny fisian’ny mizana tsindriana ila avy amin’ireo mpanapa-kevitra satria tsy ny rehetra no nomena tombontsoa tamin’ny fanampiana fa ampahany vitsy tamin’ny mpitatitra ihany, izany hoe ny tao an-drenivohitra ! « Tsy mahandry ny fanapahan-kevitra miendrika familafilana izahay noho ny fatiantoka miavosa isan’andro nefa ny namanay miasa amin’ny zotra Antananarivo-Renivohitra sy ny manodidina efa mihanoka amin’ny fanampiana na dia samy vahoaka mandoa hetra izao ihany aza no taterina ! »
Nihoa-pampana ny sondro-bidin’ny solika teo amin’ny tsena iraisam-pirenena ary tsy afa-niala tamin’izany ny teto amintsika. Vao mainka nampiantraika mafy azy tamin’ny mpanjifa aza ny tsy fisian’ny aroriaka nataon’ny fanjakana mihitsy, hoy ny mpanombana.

Tsy nahavonjy

Taitra ihany anefa ny fanjakana nony tsy toa tokoa io fiakatry ny vidin-tsolika io ka nibaiko ny mpitatitra tsy hanova ny saram-pitaterany. Nandeha teo ny dinika ary samy nametraka ny fitakiany ny roa tonta. Toa tsy araky ny nifanarahana ihany anefa ny fanapahan-kevitra noraisin’ny fanjakana satria tsy nampidirina firy izay neritreretin’ny mpitatitra...

Nivoaka ihany tokoa ny vola fanampiana natao hanentsenana ny banga amin’ny fatiantoky ny mpandraharaha nefa tsy tody amin’ny ilana azy, araky ny fijerin’ny sendika nasionalin’ny mpitatitra izay tsy maintsy hanondrotra ny saran-dàlana amin’ny zotra nasionaly rehetra amin’io herinandro hiditra io.
Tsy ho azo ialana rahateo ny fampisondrotana saran-dàlana, hoy ny sendika nasionalin’ny mpitatitra satria voafetra ihany ny vola fanampiana ka manam-paharitany.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS