Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 11h40
 

Malagasy

Fanotofana eny Andohatapenaka

Mitovy ny tany Vohidiala Ambatondrazaka, hoy ny Leader Fanilo

vendredi 10 octobre 2008 | Njaka

Tokony hisy mangarahara ny fanotofana tany atao eny amin’ny Route Digue eny Andohatapenaka hoy ny Leader Fanilo. Iza ny orinasa tsy miankina volaza fa hiaraka amin’ny fanjakana hanatanteraka azy ao anatin’ilay ny 3P. Iza no mamatsy vola izany ? Misy fifanoherany koa ny fanazavan’ny ministry ny fanajariana ny tany sy ny filoha Ravalomanana marc. Ny misnitra nilaza fa hanganana trano fonenana na logements sociaux ny tany. Ny filohampirenena kosa nilaza fa hanganana orinasa manodina sakafom-biby. Iza no tena marina ? hoy ny Leader Fanilo.

Mitovy tahaka izao ihany ny raharaha nitranga tany Vohidiala Ambatondrazaka, Nolazaina fa hiarahan’ny fanjakana sy ny orinasa tsy miankina ny asa kanefa fantatra mazava taty aoriana ny orinasa tsy miankina tompon’izany. Sao toy izany koa ity Andohatapenaka ity.

Ny fanaganana orinasa manao praovandy apetraka eto antanan-dehibe koa manimba ny tontolo iainana.

Misy tantarany hatrany amin’ny mpanjaka Andranamapoinimerina ny lemaky Betsimitatatra mba hiarovana ny tanàna amin’ny fiakatry ny rano.

Noho izany, mandroso soso-kevitra ny Leader Fanilo, tokony afindra any amin’ny tany malalaka hafa lavitry ny tanàna sy tsy misy fonena’olona ny orinasa. Tokony tsy atakalo ny tombontsoan’olom-bitsy ny tombontsoan’ny vahoaka malagasy, hoy ny fanambarana.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS