Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 18 juin 2025
Antananarivo | 11h26
 

Malagasy

Referandaoma

Mitohy ny fitakian’ny FTSV

lundi 26 mai 2008 | Naivo kely |  377 visites 

Tsy tafitan’ny fanjakana intsony ny toky natao, ka aleo miditra amin’ny referandaoma. Io no isan’ny nambaran’ny filohan’ny « fikambanan’ny tanora sahy sy vonona » Ramamonjisoa Isaak ny tolona heveraina ho atao.
Fito taona lasa izay ny toky napetraky ity filoha ankehitriny ity, nefa aiza ny zava-misy ankehitriny ? Fahoriam-bahoaka, izay tsy azo leferina intsony. Iza ny olona tsy afaka hanao fampitaha ny vidin’entana niainga tamin’ny 2001 ka hatramin’izao. Mbola afaka hirehareha ve ity fitondrana ity fa nahavita asa teny anivon’ny fiaraha-monina ? Nahoana no tsy ahalalahana ny vidin’entana, ka isan’io ny menaka ? Hatreto dia fitiavan-tena no manjaka amin’ny mpitondra ankehitriny. Leo ny vahoaka, ary porofon’io ny fahitana fa nihena hatrany ny isan’ny mpifidy. Nahazo vato 53% ny filoha Ravalomanana ny taona 2001. Ankehitriny anefa zara mahazo ny 13% ny vaton’ny mpifidy ny TIM. 
Hisy ny famoriana ireo mpitarika politika tsy ankanavaka hatao ato ho ato, ary omena fanasana amin’io ny filohan’ny repoblika. Tsy ankasitrahany kosa anefa ny fitarihana Grevy lava reny toy ny fahita hatramin’izay, satria io ihany no nanimba ny firenena. Tao amin’ny Aceem Radio omaly alahady no nanambaran’ity fikambanana vao nijoro heritaona ity ny heviny momba ny fianam-pirenena.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}