Zara raha misy hitsorana. Trano lay zara raha mahazaka olona folo nefa mihoatra lavitra an’io no misy anay. Inona no tsy hamindrana anay any amin’ny sekolim-panjakana misy eto amintsika ? Ireo indray no heno amin’ny fitarainan’ny tra-boina eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Mety hiteraka aretina ho anay ny fipetrahana amin’ny lafika mangatsiaka, sy trano lay tery sy hivangogoan’ny fofona isan-karazany. Mangataka izahay ny hamindrana anay toerana hafa hoy ireto renim-pianakaviana maromaro nitaraina tamin’ny mpanao gazety.
Mety hisy fiantraikany any amin’ny fianaran’ny ankizy madinika ny fidiran’ny traboina amin’ny sekoly tahaka izao, nefa raha herinandro mandra-pidin’ny rano eny amin’ny trano fonenanay ve hisy akony hafa amin’ny fampianarana ? « Hifampitsinjo isika fa tsy hifamono, nefa raha tsy mety tsy olana fa fiangaviana ny anay », hoy ramatoa Bako nitarika ireto tra-boina ireto tetsy Atsimondrano.