Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 9 mai 2024
Antananarivo | 21h51
 

Malagasy

Fiainam-pirenena

Mitaky fitsapakevibahoaka ny tanora

jeudi 29 mai 2008 |  564 visites  | RAW

« Efa tsy laitra intsony ity », hoy i Isaak Ramamonjisoa, isan’ny mpitarika ny « Fikambanana Tanora Sahy sy Vonona (FTSV) ». « Diso fanantenana izahay tanora raha feno tanteraka izany fanantenana izany tamin’ny taona 2002 », hoy izy. « Raha ny 53%-ny mpifidy no nirohotra nifidy an’i Marc Ravalomanana tamin’ny 2002 dia ankehitriny tsy nisy hafa tsy 13% fotsiny sisa raha ny fahitanay azy. Ny antony moa dia tsy nisy tanteraka ireo zavatra nampanantenainy fa toa miha-mahantra ny tokantrano malagasy. Sahiran-dava ny raiamandreninay. Noho izany, miantso ny Fanjakana izahay mba hikarakara fitsapakavibahoaka (référendum) ».

Raha nanontaniana moa i Isaak Ramamonjisoa ny amin’ny endrika isehoan’izany fitsapakevibahoaka izany dia hoy izy : « fanontaniana no apetraka amin’ny mpifidy hoe "mbola ekenao ve ny hijanonan’ny fitondrana ankehitriny amin’ny toerany, Eny sa Tsia ». Nanazava moa izy fa ny anton’izao hetsika takian’ny fikambanany izao dia mba hisorohana ny fandikan-dalàna sy fifikirana amin’ny ara-dalàna mba tsy hisian’ny korontana lava izao rehefa hisolo fitondrana.

Hevitra tahaka ny hevitra rehetra moa ity naposaky ny tanora ity ; maneho fandraisana andraikitra sy fahavononana ao anatin’ny lalàna amin’ny raharaham-pirenena.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS