Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 18 avril 2024
Antananarivo | 19h27
 

Malagasy

Asa tantsambo

Mitaky fiofanana tsy araky ny aina ny toetrandro

mercredi 28 mai 2008 | Volana R.

Mila voatsiary sa ny fandrosoana no mitaky izany ? Raha ny fanapahan-kevitra noraisin’ny APMF (Agence portuaire maritime et fluviale), tamin’ny 22 mey 2007 – izany hoe herintaona lasa izay – dia tsy maintsy manana ireto fanamarinana ireto ireo tantsambo Malagasy : certificat de sécurité de base (Base), certificat d’aptitude physique (APT), certificat de formation médicale niveau 2 (SMED), certificat de qualification avancée à la lutte contre l’incendie (Avance), certificat d’aptitude pour l’utilisation des APRA (raha misy io fitaovana io ilay sambo iasany), ary certificat d’aptitude à l’exploitation des embarcations et radeaux de sauvetage (Caeers).
Fenitra fantatry ny tan-
tsambo avokoa ireo, kanefa mitaky enti-manana izay mety tsy ho zakany.

Mitombo isa kanefa
tsy afa-miasa

Ankoatra izay, ireo izay efa nanana ireo, dia tsy maintsy manatona ny tompon’andraikitra misahana izany, hanavao azy indray. Nomarihan’ilay fanapahan-kevitra voalaza etsy ambony anefa fa ireo taratasy fanamarinana rehetra azo talohan’ny taona 1999 dia tsy manankery intsony.

Raha ny ao amin’ny serana-tsambon’i Toamasina fotsiny, dia manodidina ny 20.000 ireo tanora tantsambo, manana ny bokin’ny tantsambo
« livret marin », kanefa tsy manana sambo iasana akory. Tsy latsak’izany ny any amin’ny faritra hafa, toy ny any Mahajanga. Ny faravodilanitra foana no tazanina sao mba mety hisy ny fanantenana any ho any.

Ny fenitra avy amin’ny STCW (Standards of training certification and watch) no takiana amin’ny fahafahana miantsambo, izay andaniana hatramin’ny Ar 460.000 raha ohatra ka kilasimody, ary Ar 570.000 kosa raha kilasimandry, any Mahajanga.

Fiarovana ny sisin-
dranomasina

Eo ho eo amin’ny 5.000 km eo ny sisin-tanin’i Madagasikara. Tsy ary fomba anefa ny fiarovana azy, raha ohatra tsy hiresaka afa-tsy ny ireo sambo aziatika miremby manodidina ny Nosy,
« mangalatra » tsotra izao ireo lamatra sy makamba anatin’ny fari-dranomasina malagasy.

Raha ny antontan’isa azo aroso, dia manodidina ny Ar 900 tapitrisa no very, tsy tafiditra anaty kitapom-bolam-panjakana noho ny tsy fisian’ny fiarovana feno, na dia manao izay ho afany aza ireo tompon’andraikitra, indrindra ny Zandarimariam-pirenena.

Fiofanana : ho an’ny tantsambo. Fiofanana : ho an’ny mpitandro ny filaminanana. Afaka ny hanome ny fiofanana ilaina ve ny APMF, orinasa malagasy, ho an’ny Malagasy ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS