Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 16h21
 

Teny zato, kabary arivo

Mitabe tsy lanin’ny mamba

vendredi 18 juillet 2008 | Naivo kely

Izay mangina volamena. Ny fahanginana tafahoatra ihany koa naman’ny manaiky. Mitsipaipaika ny fanehoan-kevitra politika eto Madagasikara. Maro amin’ny fianam-pirenena anefa no ilana hakana ny hevitry ny maro.

Mandeha ila tanteraka ny raharaha. Mihevin-tena ho tompon’ny fahamarinana ny olona eo amin’ny fitondrana, ka izay mba manana ny hevitra kely tokony hivoaka, voatapina ny vavany. Ny ankilany ihany koa anefa, raha vao miteny, dia ny handrodana ny fitondrana no masaka ao antsainy. Tsy misy intsony ny marimaritra iraisana, ary tofoka amain’ny zava-misy ny ankamaroan’ny vahoaka. Antso an’efitra lava izao no mitranga. Mandidy dia homana ny mpitondra amin’ireo heveriny ho asa maika atao eto amin’ny firenena. Ireny anefa, dia miteraka fanahiana eo amin’ny ankolafin-kery samy hafa. Isan’io ity fampiharana ny fanovan-drafitry ny fanabeazana ity. Tsy nisy fakana ny hevitry ny manam-pahaizana, isan’anbaratongany. Hany ka any amin’ny haino aman-jery izy ireo no maneho ny alahelony. Toa anjorom-bala lava ny manam-pahaizanamalagasy. Ny mitabe tsy lanin’ny mamba. Apetraho ny ady hevitra hiasan’ny sain’ny maro. Manampy ny mpitondra fanjakana ireny hevitra mipoitra etsy sy eroa ireny, fa tsy hampiongana. Koa raha ao amin’ny rehetra izany finiavana izany, inona no tsy hanokafana ireo haino aman-jerim-panjakana tsy ahafahan’ny fiaraha-monim-pirenena maneho ny heviny ao ? Sa atahorana haningana ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS