Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 18 juin 2025
Antananarivo | 13h23
 

Malagasy

« Gare routière » etsy Ampasampito

Misy tsy manaiky ny fandaminana ny koperativa

jeudi 29 mai 2008 | Naivo kely |  392 visites 

Omaly no nosokafana tamin’ny fomba ofisialy indray ny « Gare routière » etsy Ampasampito. Tsapa nandritra io omaly io fa misy ny tsy manaiky ny fandaminana ireo koperativa hafa. Isan’io ny KOFIMANGA. « Aleo samy mameno ny azy », hoy izy ireo, « fa tsy atao izany faritra iray no handoavam-bola ary io no hameno ny fiara ». Ny ben’ny tanàna lefitra no tonga teny an-toerana. Tsara ny milaza fa tamin’ny andron’ny ben’ny tanàna Patrick Ramiaramanana no nanombohan’ny asa. Notokanana kosa tamin’ny andron’ny PDS Hery Rafalimanana, ary nikatona indray nandritra ny fotoana maharitra, ary izao nosokafan’ny mpitantana ankehitriny izao indray. Tafapetraka hatreto ny fanohizana ny asam-panjakana mipaka any amin’ny vahoaka.Mba rahoviana kosa ny eny amin’ny « Fasan’ny karana » vao hisy hanamboatra ?