Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 05h42
 

Malagasy

Korontana eto an-dRenivohitra

Misy malahelo raha maty ny afo

vendredi 23 janvier 2009 | Naivo kely

Be izay resaka efa nandeha avy amin’ny filoham-pirenena sy ny ben’ny tanàna eto an-dRenivohitra izay, nefa mbola tsy hita fiafaràna ny mety hisian’ny marimaritra iraisana.

Toa ny vahoaka fotsiny no voky resaka, fa ny fampiharana azy no mbola tsy hita. Nitondra ny fanehoan-keviny momba ireo fitakiana ataon’ny ben’ny tanàna ny filoha Ravalomanana raha nitsidika ny faritra iva sy ny HJRA ny alarobia teo. Nohazavainy amin’ny antsipiriany teny imasom-bahoaka ireny resaka nilam-baliny ireny, toy ny fanalàna ny ireo minisitra roa ao anaty governemanta. Ny fanokafana ny fahitalavitra VIVA sy ny fanesorana ny MBS amin’ny toerana misy azy ankehitriny.

Tsy niandry ela ny ben’ny tanàna Andry Rajoelina, fa namely avy hatrany ireny teny nataon’ny filoha ireny. Tsapa fa tsy misy finiavana hirosoana amin’ny marimaritra iraisana ity farany, fa ny fihaonana amin’ny vahoaka ny sabotsy no hita fa mbola masaka ao an-dohany.

Hita ihany koa fa misy andian’olona maniry mafy ny hirehetan’ny afo eto amin’ity tanàna ity.

Toa fahoriana amin’ireny andian’olona ireny, raha miroso amin’ny fifanatonana ireto ray aman-dreny sy zanaka ireto. Porofo mitohoka amin’ny tenda izany, fa misy olona manosika mafy an’ity ben’ny tanàna ity, hiroso amin’ny hetsika toy ny tamin’ny taona 2002.

Maro ny vahoaka tsy te-hiroso intsony amin’izany fikomiana izany, satria manimba ny fitadiavany isan’andro. Ao kosa anefa ireo mihevitra fa ny fanonganam-panjakana no làlana iray mety hipitihan’ny vitana ho azy ireo, ahafahana mahazo toerana ao anaty fitondrana.

Fiovam-piasa fa tsy fanonganam-panjakana

Miara-miaky ny rehetra, fa tsy azo atao ambanin-javatra ireo fitakiam-bahoaka tetsy Ambohijatovo. Isan’io ny tsy tokony hirobarobana ny volam-bahoaka. Ny fampanjakana demokrasia eto amintsika, ary ny fanajana ny zon’olombelona sy ny fanomezana fitenenana ny ankolafin’olona maro samy hafa ao amin’ny haino aman-jerim-panjakana. Na ny ben’ny tanàna Andry Rajoelina aza tsy sahy namoaka vava ny hanesorana ny filoham-pirenena, na ny fandravana governemanta, fa andiana minisitra roa no nametrahany fepetra ny hanesorana azy. Midika io, fa tsy tonga any amin’ny fanonganam-panjakana ny hevitry ny ben’ny tanàna, saingy ireo andian’olona hafa kosa no maniry sy manosika azy hanao izany. Moka ve ka mora ho vonoina ny mpitondra fanjakana ? 18 tapitrisa ny mponina eto Madagasikara, izay heverina fa samy manana ny fomba fijeriny, fa tsy sanatria kilasiana ho mpikomy avokoa.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS