Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 02h23
 

Teny zato, kabary arivo

Misy farany ny zava-drehetra

mercredi 9 avril 2008 |  892 visites  | Naivo kely

Lalao no nandrasana, nefa fihetseham-bahoaka no hita. Mitety firenena maro ilay afo « Olympique » izay noheverina fa ahafaly ny vahoaka maro eran-tany, saingy fanoherana hatrany no hita. Raha ny tao Parisy, renivohitr’ i La Frantsa no asian-dresaka, dia efa maty 20 minitra mihitsy ny afo vao narehitra indray. Tsy tokony ho faty anefa ny afo tahaka itony.

Fanoherana ny tsy fanajana ny zon’olombelona ataon-dry zareo Sinoa no anton’izao. Mpitandro ny filaminana maro no miaro ity afo ity tsy ho faty, ary nihazo any Etazonia indray avy eo io afo io. Hanao ahoana indray ny mety handraisan’ny olona io afo io ? Firenena matanjaka maro no voakilasy fa manitsakitsaka ny zon’olombelona, ary porofon’izany ny fitsabahan’ny firenena matanjaka amin’ny raharaha tokantranon’ny firenena iray. Rà mandriaka hatrany no setrin’izany. Mazàna dia ireo tany manankarena amin’ny fananany solika no hifandrombahana, ary mbola io hiarahana mahita io ny tranga ao Iraka.

Tsy nisy firenena nihevitra fa hirehitra tahaka izao ny hetsi-bahoaka momba ity lalao Olympique atao tsy ho ela any Shina ity. Misy farany ny zava-drehetra, ary izay no ilaina fitandremana, satria tsy ny vahoaka sinoa no nitarika ny hetsi-bahoaka fa ny vahoaka ivelan’io firenena io. Dia ho sanatria ve ho lalao ratsy tahaka izao no hiafaran’ny sehatry ny fanatanjahantena malaza eran-tany ity ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS