Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 18 juin 2025
Antananarivo | 17h43
 

Malagasy

Delestazy

Misento mangina ny vahoaka

samedi 16 février 2008 | Naivo kely |  461 visites 

Vita omaly ny fandevenana ny delestazy teto Antananarivo sy ny manodidina. Notokanana omaly ilay fitaovana nafarana avy any ivelany hamongorana ny delestazy mahatratra 40 Mgw, ary ny filoha Ravalomanana mihitsy no nitokana izany. Izy ihany koa no nametraka ny vato fototra ny taona lasa iny. Mbola ampiana 50 Mgw, hoy izy, vao tena maharakotra ny faritra maro. Raha te-hatanjaka ny firenena dia mila angovo matanjaka, fa aza manantena ny handresy ny fahantrana raha tsy mipetraka io angovo io. Manomboka izao dia handray ny famandrihana herinaratra vaovao ny Jirama, ary hinoana fa ahazo ny tandrify azy ireo ivelan’ny tanàn-dehibe. Milina mandeha amin’ny menaka mavesatra ity vao notokanana ity. Fanamby napetraky ny fanjakana hatramin’ny 2012 ny hamokarana hatrany amin’ny 75% ny fanodinana herinaratra amin’ny alàlan’ny rian-drano. Misento mangina ihany ny vahoaka, satria ho afaka ny haizina, fa ny sandany manao ahoana ?