Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 15h34
 

Malagasy

Toliara

Misandoka ho mpandraharaha

mercredi 10 décembre 2008 | Hasina R.

Tsy kely lalana ny ratsy. Mahita hevitra hatrany ny sokajin’olona sasany entina hamitahana ny mpiara-monina aminy mba hahazoam-bola. Tsy misoratra eny amin’ny endrika tokoa ny maha olon-dratsy. Tovolahy iray, 25 taona, no malaza amin’ny fisolokiana amin’iny faritra atsimon’ny nosy iny.

Halatra avo lenta no ataon’i Aina (io no anarana entiny). Tovolahy fotsy fihodirana, kelikely ary mahay mandresy lahatra amin’ny famitahana olona. Ao an-tanànan’i Toliara ao izy no manao ny asa ratsiny amin’izao fotoana izao, ary efa maro ny olona tratrany. Mpamily fiara karetsaka ao Toliara no tratrany farany, ary efa nametraka fitarainana any amin’ny mpitandro ny filaminana. Nilaza izy fa avy any Antananarivo ary hamoaka entana ao amin’ny fadin-tseranana no anton-diany ao Toliara. Nofainy nandritra ny alina ilay taxi, ary mbola “nampireveny” toaka niaraka amin’ny sakafo be ilay mpamily. Zoma mahafinaritra rahateo ny andro. Nifankahazo ny resaka, ary tsy nanana ahiahy na dia kely tamin’ilay tovolahy aza ilay mpitondra taxi. Niangavy izy ny hampiantranoan’ilay mpitondra taxi azy satria tsy mbola nivoaka ny entany ao amin’ny fadin-tseranana, ary lany ny vola teo am-pelantanany. Nitonona ho mpanao bizina mantsy i Aina, ka nampanantena zavatra maro ilay mpamily fiara karetsaka. Andro maromaro no niantranoany tao aminy, niantohana sakafo, nosasan-damba, ary afaka nampiasa tamin’ny fotoana rehetra ilay taxi. Tao anatin’ny tampoka anefa no nanjavonan’ilay mpisoloky, rehefa azony ireo vola nindraminy tamin’ireo mpampiantrano azy.

Nanjavona hatramin’izao

Sodokan’ny fandresen-dahatra izy mivady mpampiantrano ka nahavatra naka vola tao amin’ny mpifanila vodirindrina aminy omena an’ingahy mpanao bizina. Nilokaloka io tovolahy io fa haveriny avokoa ny vola raha vao mivoaka ny entana, ary hiara-hiasa akaiky hanao bizina hahazoam-bola. Nilaza fa mpanafatra entana avy any an-dafy io tovolahy io, ary vonona ny hampivoatra ny fiainan’izy 2 kely nampiantrano. Lasa izay ny herinandro. Antsoina amin’ny finday ilay tovolahy, tsy azo. Narahana hatrany an-drenivohitra, tany amin’ireo olona nolazainy fa fianakaviany, fa tsy nahitam-bokany. Ontsa, sady onena izy mivady kely nampiantrano ity “olon-tsy fantatra”, nitondra io fitarainana io. Sady nidiran-trosa no very fananana izy mivady kely.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS