Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 16h21
 

Malagasy

Andron’ny Mpifankatia

Miova andriana, miova sata

mercredi 13 février 2008 | Volana R.

Andron’ny mpifankatia ! Dia malalaka avokoa, hono, ny fanehoana ny fitiavana. Na amin’ny fiteny, na amin’ny fihetsika, na amin’ny atao. Eny, hatreny imasom-bahoaka. « Tsy mba izahay fahiny izany, rankizy ! », hoy i neny somary misento, kanefa tsy dia manome tsiny loatra. Satria, miova ny andro, ary mandroso ny fotoana.

Tsy mifampikasika

Tsy fomban’ny Malagasy loatra, indrindra ny eto afovoan-tany, ny maneho fihetsika lazainy mazàna fa mamoafady. Manazava ny renim-pianakaviana iray (65 taona) : « Na hiaraka irery aza, tsy azo natao. Rehefa misy tsy maintsy hiarahana, dia manaraka ny rahavavy na ny anadahy. Ahoana moa, mitan-dabozia moa, hoy ianareo ankehitriny ? Tsy azonay natao ny mifampitantana eny an-dàlana na imasom-bahoaka.Tsy mifampikasika re e ! »

Vady andrana

« ‘Ndray takariva kely
Tery amoron-kady
Toa volan-tantely
Nandramako(nay) sahady... »

Tsy misy izay tsy mahalala io tononkira io. Nahay zavatra ny Ntaolo ! Saingy ny vavam-bahoaka no natanjaka tamin’izany, fa tsy ny... fitiavana.
Jereo koa anie ity e ! Raha sanatria maty ny vadin’Andriamatoa, ka mbola mpitovo ny zaobaviny, dia miakatra ho vady loloha io.

Na ity koa : mba hahalalàna fa miteraka ity zazavavy ity, izany hoe hanome taranaka ny zanaka lahy, dia raisina ho vady andrana aloha ramatoa. Raha mety ny hevitra, vao hampakarina izy. Ao anatin’izay fotoana izay koa no hifampizahan’ny roa tonta toetra (ny ho mpivady sa ny rafozana sy ny vinanto ?).

Ankehitriny, hafa kosa e !

« Nahoana moa izahay no tsapatsapaina ?, » hoy ity tovovavy vao 23 taona.
Ao anatin’ny fotoanan’ny fahalalahan’ny fanehoan-kevitra izao. Ny fihetsika koa. Saingy mbola tsy zaka kosa aloha, ary ao anatin’ny lalàna velona izany, ny fisafosafoana eny an-dàlambe, na ny mifampiampofo ao anaty fiara iraisana. Manimba maso, ary mampianatra ny zaza bodo.

Ny azo hamaranana azy vetivety angamba, dia ilay hoe : « Aza fohazina ny fitiavana raha mbola tsy taitra ». Sao mirongatra ve ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS