Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 14h02
 

Malagasy

Fitokanana ny kianjan’ny demokrasia

Miomana ny handray fanjakana i Andry Rajoelina

lundi 19 janvier 2009 | Naivo kely

“Ampy izay ny jadona, mitrakà ry vahoaka Malagasy, fa tonga ny fotoana hialantsika ao anatin’ny fampihorohoroana”. Io no teny nentin’ny ben’ny tanàna eto an-dRenivohitra, Andry Rajoelina, nanokatra ny arahaba tamin’ny vahoaka tonga teny Ambohijatovo ny sabotsy maraina teo.
“Vahoaka mitraka miala ao anatin’ny fanangejana no eto manomboka izao. Izay no antony nametrahana ity “Kianjan’ny demokrasia ity, mba ahafahan’ny rehetra maneho hevitra”. Hoy ihany izy. Nipetraka nandritra io sabotsy io indray, ny fepetra napetraky ity ben’ny tanàna ity izay tsy maintsy hamalian’ny fanjakana ny fitakiana vaovao. Isan’io ny tsy maintsy hialan’ny minisitry ny Vola sy ny Tetibolam-panjakana, ary ny minisitry ny Fanajariana ny tany hatramin’ny alarobia izao. Takiany ny hamoahan’ny haino aman-jerim-panjakana ny vaovaon’ny mpanohitra. Raha toa ka tsy misy izany, dia ingahy ben’ny tanàna sy ny vahoaka no hitaky ny izany. “Mila sokafana hatramin’ny sabotsy izao ny fahitalavitra VIVA sy ny haino aman-jery rehetra nakaton’ny fanjakana hatramin’izay. Ho alaina ihany koa ny tany misy ny fahitalavitra MBS etsy Anosipatrana. Dila ireo fem-potoana ireo, dia handray ny andraikiny ny vahoaka”, hoy ihany ity ben’ny tanàna eto an-dRenivohitra ity.

Amidy ny “Force One”

“Fandaniam-bolam-panjakana tsy amin’ny antony no nividianana ny “Force One”. Tsy nandalo tolo-barotra ny fividianana azy. Misy volan’ny filoham-pirenena tafiditra ao anatin’io, izay midika fa ampifangaroany ny raharaham-panjakana sy ny azy manokana. Noho izany, tsy maintsy amidy ny Force One”, hoy i Andry TGV, ary averina any amin’ny vahoaka ny vidiny. Tsy azo ekena ny famarotana ny tany amin’ny vahiny, ary aoka izay ny am-pihi-mamba ny fananam-bahoaka”.

Ireo fitakiana rehetra ireo, dia efa midika amin’ny maro, fa tsy hanaiky lembenana intsony ity ben’ny tanàna ity, ary miomana ny handray fahefana ny tenany. “Ny vahoaka no tokiko”, hoy ihany ingahy Andry Rajoelina. Hitohy amin’ny sabotsy ny hetsika rehetra, ary amin’io ihany koa ny hiandrasana ny valin’ireo fitakiana rehetra ireo.

Vory lanona ny mpanao politika

Nifanotrona tamin’ity ben’ny tanàna ity ireo mpanao politika rehetra mivondrona ao amin’ny fanoherana. Isan’io ingahy Alain Ramaroson mitarika ny FCD, Ny ben’ny tanànan’i Toamasina teo aloha, Roland Ratsiraka, ny vadin’ny ben’ny tanànan’i Fianarantsoa teo aloha, Ialy Rakotoniaina, ingahy Ranjivason, ny antoko AVI, Akfm, Rpsd Vaovao, ny CRN, ingahy Henri Lecacheur, ny Matsilo, ny Tambatra, AME, sy Ramakavelo ary ny mpikambana ao anatin’ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS