Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 12h39
 

Malagasy

Faritra iva

Milaza ny heviny ireo mponina

vendredi 23 janvier 2009 | Naivo kely

“Avelao ho an’ny mpanao politika ny tolona izay tiany atao, fa avelao izahay hitady sakafo”. Teny hentitra nataon’i Rampanoelina, mipetraka etsy 67ha Atsimo io. “Tsy rototra amin’izay tranga miseho izahay, satria tsy hisy hanome sakafo anay ireo raha tonga eo amin’ny tanjona iriany. Ny hatsembohanay hatrany no nisian’ny sakafo ao anaty vilaninay, fa tsy misy mana avy any an-danitra”.

“Tsy hampiova ny fiainanay dimy mianaka ny fitarihana olona hirotaka etsy Ambohijatovo”. Io no nambaran-dRasoarinoro Hanta, mpivarotra zava-pisotro etsy Andohatapenaka, akaikin’i trano fiasan’i Me Avoko. “Ny fanadiovana ny faritra misy anay aza tsy misy mpijery rehefa tonga teo amin’ny fitondrany ireo mpitondra nifanesy”.

“Aleo hitolona ny olona, fa io no làlan’ny fiovana. Tsy matahotra ny fiovana izahay”, hoy i Zoliarimanana, mpivarotra hani-masaka etsy 67ha akaiky ny Paositra. “Leo ny fanamparam-pahefana izahay, ka rariny raha tonga maro toy ireny tamin’ny sabotsy ireny ny vahoaka”.

“Mankaleo ny korontana, satria hisy fiantraikany amin’ny asa ataonay eto Namehana izany fitarihana vahoaka hanao hetsika andalam-be izany”. Ra-Hery mpanamboatra fiara etsy Anosibe no nanambara io. “Mba ataovy anatra ny tranga miseho any ivelany, izay potika ny androatokon’ny toe-karena ao aminy. Aleo hanaja raiamandreny ity zandry kely ity, fa sao hanenenana”.

“Maha-menatra ahy ny ataon’ilay milaza ho mpanao gazety vehivavy ao amin’ny radio Viva. Hita mihitsy fa mpitolona fa tsy mpanao gazety izy io, ka tsy ho gaga raha noroahin’ny tompon’ny haino aman-jery niasany teo aloha. Mba mahaiza manaja olona ianao ramatoa kely, fa raiamandrenin’ny firenena ny filoha Ravalomanana”. Io no teny henjana nataon’i Fanohery ao Ambodin’Isotry, mpivaro-kena, akaikin’ny tetezan’i Bekiraro.

Ireo ny hevitry ny olona voaray teto amin’ity gazety ity, izay ninianay nofintinina ihany.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS