Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 2 mai 2024
Antananarivo | 00h14
 

Malagasy

FIVAMASA

Mila voky ny madinika

vendredi 16 novembre 2007 |  382 visites 

Omaly no nanambaran’ny FIVAMASA « Fikambanan’ny vahoaka madinika sahirana » fa tsy mihaino ny feon’ny madinika ny mpitondra fanjakana mba hanalana azy ireo ao anatin’ny fahasahiranana. Firy ireo olona tafakatra tamin’ny toerany no nampanantena zavatra maro kanefa dia manadino ny madinika hatrany. Azo atao tsara anefa ny misoroka io fahavoazana io hoy i Manatsoa Modeste, Sekretera Jeneralin’ity fikambanana ity. « Mila olom-baovao afaka hitondra ny feon’ny madinika sy hijery ifotony ny fampandrosoana ny tanàna izahay, ary mila voky ny vahoaka ». Miaiky ny FIVAMASA fa misy ny zava-bita eto Antananarivo renivohitra saingy tsy miantraika amin’ny isam-baravarana izany. Aoka tsy atao vato natsindry hazana ny madinika, fa mila mijery asa ifotony amin’ny fanatsarana ny tanàna. Ny kandida Marc Ramiarinjatovo no heverin’io fikambanana io fa ahavita izany ka niroso tamin’ny fanohanana ity kandida mba ho tahaka ny zava-bita teny Alasora no apetraka eto andrenivohitra, satria nahavita be io lehilahy io teny amin’izany kaominina izany.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 

Archives

mai 2024 :

Rien pour ce mois

avril 2024 | juin 2024