Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 16 mai 2024
Antananarivo | 10h09
 

Malagasy

Profesora Zafy Albert

Mila miala ny mpitondra

samedi 8 mars 2008 |  706 visites  | Naivo kely

« Ampy izay ny fahanginana. Tsy azo ekena intsony izao fahoriam-bahoaka izao, ary tsy maintsy miala ny fanjakana mpampahory vahoaka ». Io no fanehoan-kevitra nataon’ny Profesora Zafy Albert raha nanokatra ny fivorian’ny CRN izy omaly.

« Na dia nangina aza ny tenako, dia ny antoko politika rehetra kosa tsy nitsahatra naneho ny heviny momba ny tsy fahombiazan’ny mpitondra ankehitriny. Eny fa na ireo namany ao amin’ny TIM aza dia ireny niarahana nahita ireny fa nivadika taminy. Fomba ahoana ny hanalana ny mpitondra ? Io no mety hipetraka ao antsain’ny rehetra, hoy i Zafy Albert, ary izay no anton’izao fivoriana ataonay izao ».

Momba ny fifidianana izay atao tsy ho ela eto, dia nohamafisin’ny Profesora Zafy Albert, fa tsy handray anjara ny CRN ary tsy hampandray anjara ny vahoaka. Tsy misy afa-tsy ny TIM, hoy izy no manao fampielezan-kevitra etsy sy eroa. Ny tsy fandraisan’ny antoko politika anjara amin’ny fifidianana toy izao, dia tokony hampiheritreritra ny fanjakana. Anio hariva no hifarana ity hetsika ataon’ny CRN ity, ary mpitarika antoko politika maro no tonga niatrika ny fotoam-panokafana ny fivoriana teny Ivandry.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS