Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 02h23
 

Teny zato, kabary arivo

Midongy seza

lundi 7 avril 2008 |  730 visites  | Naivo kely

« Tsy misy olona tsy azo soloina, fa ny endrika sy ny fiasa angaha no mety hanavao ny maro. Ampy izay ny nitondrako ny antoko », hoy i Moxe, « fa omeko olon-kafa ny fanilo ».

Antoko manana olom-boafidy tsy vitsy ry zareo TEZA, izay midika fa tsy antoko tsy mahefa eo amin’ny firenena. Maro ireo antoko taloha no nampita ny fahefana amin’ireo mpikatroka tao aminy, saingy tsy vitsy koa ireo mpitarika mbola midongy seza.

Tsy lafiny fiainana antoko ihany no ahitana izany fa eo amin’ny sehatra maro samy hafa. Tsy mahomby eo amin’ny andrikitra izay sahaniny izy, ka esorina, dia manangam-bovona. Dia iny manangana fikambanana hafa, ary mbola izy ihany no atao lohany satria tsy te ho rambony. Tsy midika io fa tsy manana traikefa ireo zoky ray aman-dreny, fa ny fibahanana sehatra ho an’ny tanora mazàna no tsy misy. Tsy azo lavina fa misy ny tanora fisaina, ka mirona any amin’ny tsy tokony ho izy ny fomba fiasa, ary tsy mahagaga raha misy tsy mahafantatra ny tokony ho ataony.

Izay no ilaina ny fifandimbiasan-toerana mazava, ka hifanoroan’ny zoky sy ny zandry. Avy eo dia mifanampy ary iarahana mifanitsy eny ny lesoka. Fa raha mbola fitiavan-tena hatrany no hiseho eto ka mihevitra fa mahavita samy irery, dia tsy ho gaga isika raha tsy hisy raharaha vanona eto. Sa mamy ny toerana ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS