Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 22h03
 

Malagasy

Hetra amin’ny fadin-tseranana

Miditra an-tsehatra ny Amerikana

jeudi 21 août 2008

Manampy ny mpiasan’ny fadin-tseranana hahafehy ireo fitsipiky ny fampidiran-ketra ao amin’ny fadin-tseranana ny Amerikana. Amin’ny maha mpikambana an’i Madagasikara ao anivon’ny SADC, vondrona fampandrosoana ny faritra atsimon’i Afrika, dia hampiofanan’ny governemanta amerikana, amin’ny alalan’ny USAID ireo mpiasan’ny fadin-tseranana 30 mianadahy.
Hofanina momba ny lalàna amam-pitsipika mifehy ny fifanakalozana ara-barotra iraisam-pirenena izy ireo, mandritra ny 3 andro, izay hifarana anio. Samy manana ny lalàna apetrany amin’ireo firenena mampiditra entana ao aminy ireo firenen-dehibe mpanafatra amin’ny SADC. Hiadian-kevitra mandritra io fampiofanana io ny antsipirian’ny fifanaraham-piaraha-miasa ara-toe-karena amin’ny vondrona eropeanina, ny amin’ny samy mpikambana ao amin’ny vondrona sy ny firenen-kafa. Azo sokajiana ho toy ny « teny baiko » tsy maintsy fehezin’ny mpanondrana entana sy ny mpiasan’ny fadin-tseranana ireo fitsipika teknika mihatra amin’ny entana miditra ireo.

Tsy mampihontsona ny kitapom-bolam-panjakana

Araka ny fifanarahan’i Madagasikara amin’ireny firenena mampiditra entana ireny no mampihena na manafoana ny haban-tseranana. Ao anatin’ny COMESA, COI ary ny SADC no hampiharana izany. Tsy hampihena velively ny vola ampidirin’io sampan-draharaha io ny fanamorana ny haba, noho ny maha mpikambana an’i Madagasikara ao amin’ny SADC. Ezaka manokana ataon’ny fadin-tseranana, amin’izao fotoana izao, ny hifehy tanteraka ny entana miditra sy mivoaka. Amin’izao taona voalohany izao, dia tsy ho betsaka ny fihenan’ny vola miditra amin’ny fanjakana, satria 10%n’ny entana afarantsika no ampidirin’ireo firenena mpikambana ao aminy.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS