Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 15h07
 

Malagasy

Tontolon’ny asam-panjakana

Miala any ny rivotry ny fanadiovana

mardi 9 décembre 2008 | Hasina R.

Tokony hampiditra fonksionera vaovao ny fanjakana. Vinavinaina ho ny antsasaky ny foksionera amin’izao fotoana izao no hisotro ronono afaka 4 taona. Efa hanomboka ny fanadihadiana hataon’ny minisiteran’ny Asam-panjakana mba hahafahana mandanjalanja ny isan’ny fonksionera.

Antony maro no mampihisatra ny fanaovan-draharaha any amin’ny biraom-panjakana, fa ny lehibe indrindra amin’ireo dia ny havesatry ny dingana tsy maintsy lalovana amin’ny fikarakarana taratasy sy ny kalitaon’ny fomba fiasa. Efa miezaka ihany ny fitondram-panjakana mametraka ny fomba fitantanana mahomby, izany hoe haingana sy tsy mitarazoka. Efa misy ahitam-bokatra ireo departemanta sasany. Misy minisitera manome vahana kokoa ny fandraisana ireo tanora avy amin’ireo oniversitem-panjakana na tsy miankina, saingy mbola vitsy izany. Nahazo vahana tamin’ny fitondram-panjakana teo aloha ny kitranoan-trano. Azo antoka fa hahazo asa ny fianakaviana sy ny sakaiza. Tamin’izany fotoana izany dia ampidirina aloha ny mpiasa, fa manaraka ho azy ny asa hampanaovina azy, na tsy misy indraindray. Fanamby napetraky ny minisitry ny Asam-panjakana amin’izao fotoana ny hamehezana ny isan’ny mpiasam-panjakana. Mbola misy tavela ny “mpiasa matoatoa” ka tsy maintsy esorina.

Miomàna izay tsy ara-dalàna !

Nanomboka omaly alatsinainy 8 desambra, hifanarana ny 23 desambra, ny fanadihadiana ato anivon’ny faritra Analamanga. Hisaina ireo foksionera, ka izay tsy izy miala. Santatra ny ao amin’ny faritra Analamanga fa mbola ho avy ny anjaran’ny faritra hafa. Solosaina no ampiasain’ny minisitera amin’ny fanisana fonksionera. “Logiciel” manokana, hanadiovana ny tontolon’ny asam-panjakana. Samy hameno taratasy hamaritra ny momba azy avokoa ireo mpiasam-panjakana, ka hiharihary eo ireo mpiasam-panjakana mandray karama nefa tsy manana asa.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS