Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 02h23
 

Teny zato, kabary arivo

Miadam-pamindra

mercredi 26 mars 2008 |  516 visites  | Naivo kely

Mandeha ny fotoana, miandry fiovana ny vahoaka. Vanim-potoana nambara ho taonan’ny asa ity taona 2008 ity. Mihazakazaka toy ny segaondra ny fametrahana ireo rafitra isan-karazany, na io fidiana mivantana, na tendrena ihany koa. Izay mahasoa ataon’ny mpitondra, hoy ny hafa.

Telo volana sahady izay no lasa nandritra ity taona vaovao ity. Toa tsy mbola hita taratra ny fiovana nandrasan’ny vahoaka. Na ilay asa heverina fa tsy maintsy atao aza toa mbola tsy nitsiry.

Ny vidim-pianana mihazakazaka mafy, ary tsy haraky ny vahoaka madinika ny hafainganam-pandehany. Toa samy mampandry saina ny malagasy ireo mpitondra antsika ny hifehezana io vidim-piainana io tsy hiakatra be loatra, saingy voafehy ve io hatreto ?

Tafapetraka ny olom-boafidy sy ny olom-boatendry isan-karazany, nitondra inona ho an’ny isan-tokatrano ny fisian’izy ireo ?

Ekena fa tsy natao hameno ny ati-vilan’ny tsirairay izy ireny, saingy toa mihakely herim-pon’ny rehetra manoloana ny fahadisoam-panantenana eo amin’ny vahoaka Malagasy. Miadam-pamindra ny asa, ary mifanohitra amin’ny hambara fa taonan’ny asa ity taona ity. Ny vita omaly potika anio, ary izay potika anio, toa tsy tafarina ampitso. Sarotra ny manangana fa mora ny manimba, izay no tsy tokony hanavahana ny firehan-kevitra samy hafa izay vonona ny hampandroso ny firenena, satria ny tao-trano tsy efan’ny irery. Raha tsy hoe angaha ho dongiana samy irery ny fahefana, fa izay vita dia vita ary ny tsy vita miandry manaraka ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS