Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 22h13
 

Malagasy

Gidragidram-pifidianana

Mety hiala andaharana ny mpanohitra

mercredi 1er août 2007 | Naivo kely

Ampy izay ny fizarazarana eo amin’ny samy mpanohitra, fa ny firaisana no hery izay no tanjona. Io no hery lehibe manosika ny mpanohitra rehetra amin’izao, saingy mbola misy ihany ny fiahiahiana tsy mampiray azy ireo ankehitriny.

Isan’ny hevitra nivoitra teo amin’ny fivorian’ny mpanohitra tato ho ato io, ka isan’izany ilay nitranga tetsy amin’ny foiben’ny antoko AKFM Andravohangy ambony omaly. Ny fampiharana ny bileta tokana, ny fametrahana amin’ny tsy miankina ny fandrindràna ny fifidianana, no tena nivoitra tao. Inona no tsy asahian’ny mpitondra ankehitriny manao io, nefa ny firenena hafa sy ny mpamatsy vola efa mitaky ny hampiharana izany eto Madagasikara ?

Raha toa mbola miziriziry amin’ny heviny ny fanjakana dia aleo izy handeha irery hanatanteraka izay tiany atao. Na eo aza anefa izany dia maniry ny tsy hizarazaran’ny hery ireto mpanohitra ireto.

Misy fanahiana amin’ny HCC

Toa mahalasa saina ireo mpanohitra maro nivory tetsy Andravohangy ambony ny mahita ny mpikambana ao amin’ny HCC mitety faritra sahady. Inona no anton’io ? Mbola mitoetra ihany koa ny ahiahy amin’ny zava-nisy hatramin’izay nametraka fa vita « 1er tour de vita » ny fifidianana filohan’ny repoblika ny taona 2006 teo, ary napetraka mialoha ihany koa fa 80 % ny vato azon’ny ENY. Ireo rehetra ireo dia saiky tanteraka ara-bakiteny. Nametraka indray ny sasany fa toerana 127 no ho azon’ny TIM eny Tsimbazaza, moa ve izany tokoa no hitranga indray amin’ity fifidianana ity ?

Tsy takona afenina ihany koa fa ny filohan’ny faritra no hanendry ireo olona alatsaky ny TIM ho fidiana manerana ny faritra maro, moa tsy midika ve izany fa misy tetika maizina kotrehina ao ? Ireo rehetra ireo no isan’ny laha-dinika teo amin’ny mpanohitra omaly.

Tsy hanaiky lembenana

Tsy hanaiky ny tsindry hazo lena hatrany kosa anefa ny mpanohitra, ka nilaza fa ho fongorina hatramin’ny farany ny tetika maizina ataon’ny mpitondra sy ny forongony ankehitriny, ka ny firaisan-tsaina no zava-dehibe na hiatrika, na ihany koa tsy handray amin’io. Nisy mihitsy aza ny nametraka ny hamerenana ny faritany mizaka tena mba ahafahan’ny rehetra miaro ny faritra misy azy. Sarotra ihany anefa ny hanambarany hery, fa ny fivoriana ataon’izy ireo any an-tranon’ny mpanao politika iray anio no ahafantarana ny vokatr’ireo rehetra ireo, indrindra fa ireo zatra mpihalokaloka tsy mba mahazaka vahoaka na iray aza.

Saika tazana teny amin’io fivoriana io avokoa ny mpitarika politika rehetra ka isan’io ny Pasitera Andriamanjato, José Rakotomavo, Daniel Ramaromisa, Razakarimanana Ferdinand, Pierre Andrianantenaina, Tabera Andriamanantena, ny AKFM, Fihavanantsika, ny Tambatra, sns...

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS