Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 17h44
 

Tsakotsako

Médecin après la mort...

lundi 3 novembre 2008 | RAW

« Mahatserika ity raha volànin’ny mpitondra ity », hoy ity rangahy iray raha naka lasantsy fa toa nidina kely ny vidiny. Raikitra teo moa ny resaka sy ady hevitra. Ary ny niafarany dia hoe efa miasa mafy ny fanjakana fa handray an-tànana ny fanafarana solika, dia izy indray no hitsinjara azy any amin’ireo kaompania.

Raha ny marina dia tsy vaovao ilay hevitra sy tetika. Vao haingana i Alphonse Randrianambinina no nampahatsiahy anay fa isan’ny ambety tenin’i Herizo Razafimahaleo ny tokony handraisan’ny fanjakana fepetra maromaro, indrindra mikasika ny vary, ny solika sy ny JIRAMA. Efa tany amin’ny volana janoary 2008 tokoa i Herizo Razafimahaleo, raha vao nanomboka niakatra ny vidin’ny solika teo amin’ny tsena iraisam-pirenena, no namosaka io hevitra io hoe tokony raisin’ny fanjakana an-tànana ny fanafarana solika, ary fanao izany. I Maurice moa no nataony ohatra tamin’izay. Miaraka amin’izay dia tokony hahenany ny « taxes » isan-karazany satria be loatra ( eo amin’ny 40%- ny vidin’ny eny amin’ny mpivarotra solika ) no mandreraka ny mpanjifa rehetra sy mampiakatra ny vidin’entana rehetra.

Raha nanontaniana moa i Alphonse Randrianambinina omaly dia hoy izy hoe : « marina ny voalazanao fa ny mahagaga ahy dia nahoana no amin’izao fotoana efa midina izao ny vidin’ny solika vao mandray ireo fepetra ireo ny fanjakana ? Tsy » médecin après la mort « ve izany ? Satria ve i Herizo dia lehiben’ny mpanohitra dia tsy noraisina ny heviny tamin’izany fotoana izany sa mba hilazana amin’ny mpandoa hetra hoe mijery ny tombontsoan’ny mpanjifa sy ny mpandoa hetra rehetra ny fanjakana dia izao vao raisina ny hevitra tsara heno tetsy sy teroa sy tamin’i Herizo ? »

« Ny lasantsy sy ny solika eo ihany fa ity JIRAMA ity sy ny vary no mitatao eo ambonin’ny loha ihany koa », hoy i Alphonse Randrianambinina. Asa moa raha mbola mitohy ilay vary mora eny amin’ny fokontany eto an-drenivohitra fa raha any amin’ny fokontany sasany manodidina an’Antananarivo aloha dia tsy misy izany vary izany. Sa ny eto an-drenivohitra ihany no tena tandrovina mafy ? Fa ho an’i Alphonse Randrianambinina dia mazava fa ny « mi-gouverner c’est prévoir ; noho izany ity resaka saran’ny JIRAMA ity dia tsy maintsy asiana vaha-olana. Isan’ny vaha-olana natolotr’i Herizo tamin’ny fotoan’androny ny fifampiraharahana amin’ny fanjakana Sinoa momba ilay » ampoule économique " sy ny fanapariahana izany, ohatra. Ankoatra izay ny fananganana orinasa maro manodina ny rano ho herin’aratra sy fampiasana ny herin’ny masoandro sy ny enerjia nokleary.

Ny mahatserika tokoa dia sao dia fihetsiketsehana fotsiny ary izy ity e ? Sao dia fampandriana adrisa fotsiny e ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS