Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 18 juin 2025
Antananarivo | 13h34
 

Teny zato, kabary arivo

Mbola voafitaka ny mpanao gazety

lundi 4 février 2008 | Naivo kely |  926 visites 

Na dia efa nambara ombieny aza fa miandry ny lalàna avoakan’ny ministera ny mpanao gazety hanatanterahiny ny fifidianana izay ho filohan’ny holafitry ny mpanao gazety sy ireo birao miaraka aminy, dia mbola nisy ihany ny voafitaka ny sabotsy lasa teo. Nahitana mpanao gazety ampolony maro tokoa tonga teny amin’ny tranombokim-pirenena ny sabotsy teo, ary samy gaga ny rehetra nahita azy. « Fa misy inona ato no feno mpanao gazety ? » Teo ny rehetra vao samy nahalala fa saika hifidy ny filoha hitarika azy kay ireto namana ireto. Efa voapetraka tamin’ny maro ny datin’ny 2 desambra hilazana ny andro hanaovana azy io, saingy maro no tsy nahalala fa ahemotra amin’ny fotoana manaraka io daty io. Mbola voafitaka indray ny mpanao gazety, hoy ireo mpanadroadro nitazana an-dry zalahy sy zavavy niveri-maina. Dia rahoviana indray izany no tena hanaovana azy io ? Mahandrasa tantana e.