Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 00h18
 

Malagasy

Fanovana rafi-pampianarana

Mbola maro no tsy resy lahatra

mardi 9 décembre 2008 | Lucia Ratsimbazafy

Anisan’ny zavatra iray mampisavororvoro ny saim-bahoaka malagasy ny fametrahana ny fanavaozam-pampianarana. Maro ny mametra-panontaniana momba izany. Ny tsy fandalinana na ny tsy fahafantarana izay mety tena ho antony ifotoran’ity fanavaozana ity no mahatonga izany fisalasalana izany. Tsy vitsy ireo manakiana be fahatany fotsiny, mihevitra fa mitovy tamin’ny fanagasiana izay nampiharina tamin’ny taona 1972 indray no averina ankehitriny. Diso tanteraka anefa izany fiheverana izany satria tsy ny fampianarana akory no gasiana fa ny tenin-dreny kosa no atao fitaovana entina hampitana ny fahalalàna eny anivon’ny sekoly.

Araka ny fikarohana iraisam-pirenena, dia voambara fa ny tenin’ny reny no teny mora sady mandaitra indrindra ampiasaina ho fampitana ny fampianarana any an-tsekoly. Eran-tany dia sahala amin’izany avokoa. Mba diniho kely kosa anie raha ny Frantsay no hiteny malagasy rehefa hampita fahalalana, na ny Sinoa hampiasa teny alemana, na koa ny Arabo hiteny bantou rehefa any an-tsekoly ? Ireo firenena voalaza ireo dia miezaka hatrany ny hampiasa ny teniny rehefa hampita fahalalana na dia efa voasokajy ho ao anatin’ireo firenena mandroso aza izy ireo. Izany hoe mivelatra amin’izao tontolo izao amin’ny lafim-pampianarana maro. Raha ny an’ny Madagasikara kosa dia mbola ny 96%n’ny ankizy ihany no miditra an-tsekoly. Midika izany fa mbola lavitra ny ezaka tokony hatao. Tafiditra ao anatin’ny tanjon’ny taona arivo fahatelo anefa ny hanatrarana ny 100% amin’ny taona 2015.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS