Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 10 janvier 2026
Antananarivo | 01h29
 

Malagasy

Antalaha

Mbola « bois de rose » ihany

mardi 30 septembre 2008 | RAW |  899 visites 

Manam-pahefana avy aty Antananarivo, miaraka amina zandary ao anaty “bus” efatra, mirongo fiadiana, no mampihorohoro ny vahoakan’ny kaominina Ambohitralainana, atsimo kelin’Antalaha renivohitra, noho ny fananany « bois de rose ». Ireo ny fitarainan’ny olona any Antalaha. Nilahatra ireo tompon’ny hazo nalaina an-keriny, nanomboka ny sabotsy teo, ary mbola nitohy omaly alatsinainy, rehefa, araka ny filazan’ny mpilahatra, nahazo alàlana tamin’ny manam-pahefana any an-toerana.

Vahoaka tompon-kazo no nahazoana ny vaovao izay milaza ihany koa fa poa-basy no entin’ireto olona avy aty Antananarivo ireto ampitahorana, ary maro ireo olona no lasa nitsoaka. Nanome vahana ny "zandary vahiny" izany, hoy ireto mitaraina ka dia nalalaka izy ireo naka ny entana notadiaviny. Ireo tompo-kazo ihany no manohy : « Kamiao sy rojovy no entiny mamoha ny vavahady na miditra ny trano, na tsy misy tompon-trano aza ao. Efa ho in-2 niverina izay ireo kamiao 10 T nivezivezy naka ny « bois de rose » ary apetrany ao amin’ny tokotanin’ny sampan-draharahan’ny Rano sy ny Ala. »
Manodidina ny 300 ireo vahoaka miaina amin’ny ala no milahatra, araka ny vaovao farany. Soratra toy ny hoe “aleonay atao kitay toy izay hamidy an-tsokosoko” , no hita mibaribary eny rehetra eny.

Vao tamin’ny alahady teo ny filohan’ny Repoblika no nanambara fa tsy tokony henoina ny tsaho fa mampisavorovoro, ary tsy mitondra amin’ny fampandrosoana. Ny endrin-javatra toy izao koa anefa mahalasa fisainana satria ny tompon’entana no mitondra ny vaovao. Soa fa nanazava ny minisitra tompon’andraikitra : “Fanakorontanana fotsiny izany, fa milamina ny tanàna.” Na izany aza, andrasana ny vaovao misimisy kokoa avy amin’ny tompon’andraikitra mahefa hahatonga izay filaminana izay. Ny fantatra aloha dia eo am-pandiovana ny sehatry ny fandraharahana an’ity hazo ity ny fitondram-panjakana. Ny tena tomponandraikitra moa tsy manazava tsara ka dia tsy fantatra intsony izay tena marina fa toa manome vahana ny resabe.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}