Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 20h02
 

Malagasy

Soavinandriana

« Mba tsinjovy ny Ben’ny tanàna »

lundi 9 juin 2008 |  390 visites  | Volana R.

« Ny asa sy andraikitra mitombo, kanefa ny karama tsy manaraka izay. » Manao antso amin’ny tompon’andraikitra sy manampahefana ny ben’ny tanàna ao amin’ny kaominina ambonivohitra Soavinandriana, Randrianasolo Solofomahatratra. « Azo sokajiana ho asa masina ny asan’ny ben’ny tanàna, hoy izy. Fahefana mpanatanteraka manakaiky indrindra ny vahoaka izy, ary ireo kabarin’ny filoham-pirenena sy ny fiofanana teny Iavoloha indroa miatoana dia manamafy ny asa sahaniny izay iankinan’ny fiainam-bahoaka andavanandro.
Tsy mahavelom-bady aman-janaka anefa ny karama raisiny ».

Ialana ny kolikoly

Kitro ifaharan’ny ady amin’ny kolikoly ny asam-bahoaka. « Toy izany ny ao amin’ny kaominina. Tsara raha jerena ny momba ireo ben’ny tanàna.
Tsy sanatria mamporisika azy ireo hangalatra na hanao fihetsika tsy mety, fa aoka tsy omena fakam-panahy izy ireo. « Toy ny Malagasy maro an’isa, dia misy ben’ny tanàna manan-janaka efatra, hatramin’ny enina aza. Ny vola raisiny tsy hahafahany sady manatontosa antsakany sy andavany ny asany no hamelomany ny ankohonany, satria tsy mandray Ar 200.000 isam-bolana akory izy ireo (sokajy faharoa) ».

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS