Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 30 avril 2024
Antananarivo | 15h16
 

Teny zato, kabary arivo

Matoritory manana aretina

samedi 22 mars 2008 |  284 visites  | Naivo kely

Feno ny vokatra, nioty izay nafafy ny kandida tsirairay. Vita iny ny fifidianana izay ho mpanolontsaim-paritra ary manomboka ny fandraisana andraikitra ho an’itony olom-boafidy itony.

Mety ho mahafaly ny mpitondra ny nandre ny salam-pahavitrian’ny mpifidy, sy ny vato azon’ny antokony, saingy misy afo tsy maty mety handoro ny firenena mila dinihana haingana ao. Ny tarehi-marika mitoetra, fa ny hitan’ny mason’ny vahoaka tsy azo kosehana.

Tsy vitan’ny fandresena tamin’ny latsa-bato ny fiai nana. Nanjaka ny vato fotsy izay tsy azo hodiana tsy hita. Ny fahavitsian’ny mpifidy ilaina fandresen-dahatra goavana ny fiarahana mametraka ny faritra. Ny mpanao politika izay tsy mitsahatra maneho ny fomba fijeriny, dia tsy azo atao ambany maso tsy hita. Manampy trotraka ireo ny fandrenesana fa niakatra ny solika, ary kanefa dia tsy misy ny aro riaka napetraky ny fanjakana, hisorohana ny fidangan’ny vidim-piainana. Mandrangaranga hampiakatra ny saran-dàlana ny mpitatitra, ary mamely indray ny kere any atsimo. Andraikitra mila valiny amin’ny mpitondra ireo, ary tsy hifanilihana andraikitra. Aoka tsy hatoritory manana aretina isika, sao midodaka ny afo vao samy ho taitra. Dia mirary fety sambatra e.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS