« Io indray ny fanjakana. Fanosoram-potaka ny mpanohitra no ataony. Aiza no ahitanay mpanohitra fitaovam-piadiana ampidirina eto ? Raha izany no izy matanjaka anie izany izahay e ». Io no nambaran’ny loholona teo aloha Vaovao Benjamin, mpikambana ao anatin’ny antoko AREMA.
"Tsapa fa misy olona mahazo tombotsoa betsaka amin’izany eto, ka ahilika aty aminay io. Toy izany koa ny mety hanarian’ny sasany fako simika aty amin’ny fari-dranomasin’i Madagasikara.
Tranga efa nisy taloha io fony fitondran’ny Profesora Zafy Albert, ka namono ireo hazan-drano maro tany anaty ranomasina. Hatreto dia hita fa misy tahotra anay mpanohitra, ka izay zavatra mitranga, dia toa heverina ho izahay hatrany ny ati-doha mikotrika".